airtel

Politique

14-juin-2021

Politique

Nikorapaka ny PAF - Ivato « Tsy nanakana minisitra izany izahay »

Sample post image

Nambaran’ny vaovao an-gazety iray ny herinandro teo, fa mpikamban’ny governemanta maromaro no tsy nentina tany Tolagnaro tamin’ilay “colloque”

14-juin-2021

 

 

 notarihin’ny Filoham-pirenena, dia ny Minisitry serasera sy ny Kolontsaina, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, minisitry ny filaminana anatiny, minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, minisitry ny fitaterana sy ny fizahantany, minisitry ny asa sy ny lalàna sosialy. Nambaran’io gazety io, fa nanao amboletra nividy tapakilana fiaramanidina hihazo an’i Taolagnaro io Minisitra io, saingy nisy ny toromarika avy amin’ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika Atoa Valery Monjavelo nandrara ny fahafahany nandeha. Nambaran'io gazety io fa mamofompofona fanovana governemanta, ary isan’ny ratsiratsy toerana ny Minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina Rtoa Lalatiana Andriatongarivo. Nisy kosa ny fanambarana navoakan’ny polisim-pirenena omaly, fa manoloana io resaka izay milaza fa nisy mpikambana iray ao amin'ny governemanta voasakana teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato io raha saika hiondrana ho any Taolagnaro, dia nilaza ny Polisim-pirenena ( ny polisy miaro ny sisitany - PAF) izay mahatsiaro ho voatohintohina amin'izany. Tsy nisy mpikambana ao amin'ny governemanta izany nikasa hiondrana ka nosakanan'ny Polisim-pirenena, hoy ny PAF. Tsy nisy ihany koa antso an-telefaonina voaray avy any amin'ny fiadidiana ny repoblika manome toromarika mikasika izany. Ny Polisim-pirenena dia manamafy fa ny fandraisany fanapahan-kevitra rehetra mikasika ny asa dia atao ao anatin'ny fanajana ny lalàna hatrany, hoy io fanambarana io. Na izany na tsy izany, dia tsy mamaly sy mahazava ny antony tsy nahatonga ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina tany Tolagnaro aloha io fanazavana io. Ny resaka fampandrosoana ny faritra iray dia tsy afa-misaraka ny kolontsaina sy serasera, ary izany no ilàna ny antsoina hoe: “mpanalalana” amina tetikasa atao, fa tsy vitan’ny resaka teknika sy siantifika fotsiny. Hafahafa ihany ny tsy naha teo ny Minisitry ny kolontsaina.

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap