Tokony efa nody izy ny 16 desambra teo, hoy izy, nefa dia mbola any am-ponja hatramin’izao ny tenany sy olona miisa 7 miaraka aminy. Ninie Donia dia olona miaro ny tanindrazany. Tsy manaiky ny fakan’ireo vahiny ny taniny namboleny fary hanaovana siramamy. Tsy olona nanao ratsy I Ninie Donia fa tia tanindrazana sy niaro ny taniny ka tsy hanaiky hatramin’ny farany izahay. Avoahy i Ninie Donie sy ireo ekipany ireo izao dieny izao! Nandefa taratasy tany amin’ny minisitra tomponandraikitra moa izahay. Hikorontana ity firenena ity raha tsy mivoaka i Ninie Donia, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby