Ny talata lasa teo izy no niakatra fitsarana, saingy omaly vao nivoaka ny didin’ny fitsarana ao Nosy Be, izay manameloka azy sazy mihatra 18 volana volana an-tranomaizina . Efa 10 volana teo moa izay no nisamborana sy nampidirana am-ponja azy noho ilay raharaha fitarihana vahoaka anatin’ny Fikambanana Zafin’I Fotsy hanohitra ny ambarany fa tanindrazan’izy ireo. Nisy fotoana efa nokasaina hovonoina I Ninie Donie fa hoe: manelingelina, raha ny horonam-peon’ny olona isan’ny sosotra aminy, izay tafaporitsaka. Nampirimina tany am-ponja avy eo, ary io nilatsaka io ny didy ka fandravana tany miaro fifamaliana tamin’ny mpitandro filaminana ary faniratsirana manam-pahefana no isan’ny vesatra nandetehana azy. Betsaka no milaza fa tafiditry ny fanenjehana ara-politika ny mahazo azy satria tsiahivina ihany koa fa Filohan’ny Vondrona mpanohitra RMDM any Nosy Be I Ninie Donie. Aorian’ny fifidianana Filoham-pirenena izany vao ho tafavoaka, raha tsy misy ny fihenan-tsazy amin’ny fampiakarana na fanalefahan-tsazy avy amin’ny Filoham-pirenena.
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny