airtel

Politique

11-janv-2024

Nisandoka ho filohan’ny Emergence Madagascar

Mpandraharaha iray naiditra am-ponja noho ny resaka vary simba

Sample post image

Naiditra am-ponja vonjimaika koa na MD ny mpandraharaha, Raheriniaina Jean Nestor Dollin,

11-janv-2024

noho ny resaka vary simba niparitaka tato ho ato. Ankoatran’ilay 3 kaontenera tratra tao Toamasina moa dia nisy koa resaka 50 kaontenera tao Mahajanga, izay niatombohan’ity raharaha vary ity. Omaly aza dia mbola nisy 35 gony indray voalaza fa saika ho alefa tany Taolagnaro. Maromaro ireo olona ambony heverina ho akaikin’ny fitondrana saika voasaringotra tao anatin’ity raharaha ity, raha tsy hilaza afa-tsy ny prefe iray sy depiote iray ihany koa. Ankehitriny dia misy ity mpandraharaha voalaza ho nisandoka ho filohana vovonana politika manohana fitondrana antsoina hoe “Emergence Madagascar” ity indray. Raha tsiahivina dia ity mpandraharaha ity ihany koa no nanana olana tamina resaka aferana fiara tsy mataho-dalana tamin’ny filohan’ny VMF na Vondron’olona manohana ny fitondrana, Falson Jocelyn Rantenaina, tamin’ny taon-dasa. Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe mitohy hatrany ve izany ny fifamotehan’ireo samy mpanohana ny fitondrana sa tena finiavana hanadio ny tokantranony tokoa ny an’izao fitondrana vao nanohy fotoam-piasana tao anatin’ny andro vitsy izao?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap