nahitsy izy nilaza hoe mampalahelo fa nidiran'ny « virus » ny Antoko TIM. "Ny TIM amiko dia toe-tsaina sy fomba fiaina izay teraka tanaty tolona ny taona 2002. Sahy mijoro amin'ny fahamarinana, tsy kanosa.", hoy i Bodo. I Indrisy, anefa hoy izy, fa miova izany ankehitriny fa maro ny manao vava ratsy, teny tsy ambina, manao stratejia maloto hanapotehana izay tsy mitovy hevitra, ary ny mampalahelo dia ny ao an-trano ihany no mandripaka ny ao an-trano ka lasa manaratsy ny fanaovana politika eto amintsika.
TAHINA SATRIA...
Samy namako samy fantatro i Tojo sy Tahina, hoy izy , samy akaikin'ny foko ireo kanefa tsy maintsy mametraka masontsivana aho mba ahafahan'ny saiko misafidy hoe : iza no efa vonona. Inona no vinan'ny tsirairay. Iza no mifanakaiky kokoa amin'ny filan'Iarivo sy ny tombontsoa iombonana ? dia i Tahina no fidiako », hoy i bodo. Nilaza moa i Bodo fa nihaino an'i Tahiana Razafinjoelina, nitady ny antony nahatonga azy nandray fitenenana. TIM aho hatramin'ny taona 2002 ary niezaka ho marina , mahitsy, sahy, vonona.. ary ambetin-tenin'i Prezida Ravalolanana amiko ny hoe "isika sy ianao anie no nanangana an’i tim io e!". Ekeko am-panetren-tena izany, hoy i Bodo, saingy io nambarany io fa tafiditry ny « virus ».
AVY TAFARA MPANDRAVA
Notsorin’i Bodo fa ampahan'olona "avy tafara" tsy nanana fototra TIM no nohasohasoina sy nanankinana andraikitra ambony satria miteny anglisy, satria manam-bola, satria manam-bava, satria mahay mitratrevatreva sy manambany ny hafa, mpandrava ireo fa tsy mpanangana tompoko,… Ireo avy tafara ireo no mitondra virus mandrava ny tranon-dandy naorintsika ka mandratra ny tsara sitrapo, sy ireo tena nitolona,... Notsoriny fa naratra ireo nisintaka ireo ary naka sisiny sy nangina. satria izay no nitaizana azy, dia iny indray isika, tarihin'ireto avy afara mampiasa vola sy toetra tsy mendrika ireto, dia manao vain-drahalahy tsy marary, mitoraka vato, manompa... Mpamadika e... devoly eee.. i ranona no ao ambadik'io ee!!!.... Niaina izany ny tenako, hoy i Bodo nilaza fa rehefa tiana hovonoina ny biby dia lazaina fa misy haromotana, tsy nandinika fa ao anatintsika ao ny olana fa tsy izy ireny akory no "mpamadika", hoy hatrany izy. Niantso ny tsirairay hamerina indray ny soatoavina very izy. Amin'ny anaran'izany soatoavina hajaiko izany no anaovako azafady sy ialako tsiny amin'ireo rehetra nahavita be, sy ireo tsy nikely soroka ka naha TIM ny TIM izay maratra noho ireo « virus » tafiditra ireo ka nanjary niataka, eny tsy manao politika intsony aza ny sasany nefa tokony hahatavita ity tanintsika ity. Singaniko i Tahiana Razafinjoelina satria izy aloha no resaka izao, hoy hatrany i Bodo.
Toky R
Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy
Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.
Manomboka miverina sy mifoha ny resaka fitakiana ny famoahana ireo gadra politika amin’izao
Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».
Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,
Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara