airtel

Politique

14-oct-2022

Politique

Nivadi-dela ny Fitondrana Manameloka an’i Rosia indray i Madagasikara

Sample post image

Niova hevitra ! Nisafidy ny hanameloka an’i Rosia eo anatrehan’ny « annexion » na fakana ny ampahan-tanin’i Ukraine dia i Loghansk, Donetsk, Kherson, Zaporijia ho isan’ny fireneny tamin’ny alalan’ny fitsapankevi-bahoaka

14-oct-2022

indray i Madagasikara. Isika izay nanizingizina teo aloha fa isan’ireo firenena tsy miandany teo anatrehan’ny fanafihana nataon’ny Rosianina an’i Ukraine, nanomboka tany amin’ny volana febroary 202. Nitazona hatrany ilay tsy fitanilana i Madagasikara tamin’ny alalan’ny fitondrana. Isan’ireo tsy naneho hevitra tamin’ny volana martsa raha nandeha ny latsa-baton’ny Firenena Mikambana momba ny fanamelohana na tsia ny fanafihana ataon’ny Rosianina. Naneho mivantana na ankolaka ny tsy fahafaliany tamin’ny tsy fanamelohantsika an’I Rosia ireo mpiara-miombon’antoka, ary niantso hatrany ny hiraisana feo aminy. Isan’izany ny Vondrona Eoropeanina, ny firenena Frantsay,… Ny Ambasadaoron’I Lafrantsa teo aloha Christophe Bouchard izay nilaza mihitsy fa tsy mitombina ny hoe: tsy manan-tsafidy eo anatrehan’ny darohana baomba sy midaroka baomba. Ankehitriny, io fa niray feo amin’ny maro satria nitovy safidy amin’ireo firenena 142 nanameloka ny Rosianina i Madagasikara. Tamin’ny firenena 193, ny 143 izany no nanameloka an’i Rosia, ary 35 kosa tsy naneho hevitra tahaka an’I Chine, Inde, Afrika Atsimo, ary 5 kosa manohana dia i Biellorussie, Korea Avaratra, Nicaragua, Syrie, ary i Federasionin’i Rosia. Nanome lesona ka niantso ny hisian’ny fifampiresahana ny Filoha Rajoelina raha nandray fitenenana tany amin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tany Etazonia ny volana septambra teo, ary naneho fa izay ihany no vahaolana hivoahana amin’ny ady ao Ukraine, izay misy fiantraikany eran-tany. Na lany tamin’ny isan-jato 90% mahery aza tamin’ny ankampobeny ny latsa-bato tany amin’ireo faritra voalaza etsy ambony izay ao anatin’ireo antsoina hoe: “républiques separatistes” miala amin’I Ukraine. Milaza kosa ny fehin-kevitry ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana ny alarobia teo, fa ny fitsapankevi-bahoaka sy ny fanambarana “annexion” nataon’I Russie dia tsy manan-kery eo anatrehan’ny lalàna iraisam-pirenena, ary tsy hampiova ny satan’ireo faritr’I Ukraine ireo na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.


INONA NO NAMPIOVA HEVITRA ?
Momba ny safidintsika manokana, inona no nampiova hevitra ny Fitondrana ka nisafidy ny hiara-dia amin’ny maro an’isa? Tratry ny tsindry goavana ara-diplaomatika ve sa manao pi-maso eo anatrehan’ny faharefoana ara-diplaomatika ataon’ny Tandrefana? Nialohan’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana rahateo, nilaza ny Ambasadaoro Rosianina eto fa manohana an’i Madagasikara amin’ny fitakiana ireo Nosintsika bodoin’i Lafrantsa. Voalaza fa marefo ny fifandraisana amin’i Lafrantsa, ary nanarama ny cabinet ESL & Network hatrany amin’ny 700 000 euros na 2,8 miliara Ar ny Fitondrana handamina izany. Hampahafantatra ilay PEM (Plan Emergence Madagascar) amin’ny faramparan’ity volana ity, izay iantsoana mpamatsy sy mpampiasa vola izay ny Tandrefana no betsaka sy handrandraina ka heverina ho anton’ny politika nivoaka-niditra. May ny endim-boanjo, tsy ambony tsy ambany ka aleo miray làlana amin’ny besinimaro ihany? Sa kosa misy tambiny na fanomezan-toky azo ka niova hevitra sy safidy ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap