airtel

Politique

21-mars-2023

Politique

Nivoaka ny efitranon’ny CENI ny mpanohitra “Lavinay marin-drano ny tetika fampankatoavana io lisitra io”

Sample post image

Mbola sarotsarotra ny hivoahan’ny marimaritra iraisana mikasika ny fanatanterahana ny fifidianana, raha ny sary nipoitra omaly tetsy amin’ny CENI Alarobia.

21-mars-2023

Nanomboka omaly 20 martsa 2023 mantsy ny fitsirihana ny rindram-baiko na “logiciel” sy ny lisi-pifidianana, izay tarihin’ny OIF (Organisation de la Francophonie). Isan’ny nanatrika ny fotoana fanombohana teny an-toerana ireo antoko mpanohitra samihafa, saingy naneho fa misy tsy fanaran-dalàna sy zavatra tsy milamina. Tazana teny an-toerana avokoa ny TIM, HVM, MMM, ARB, LERA, RMDM,... Amin’izy ireo, ny fitsirihana ny rindram-baiko aloha no tokony hatao izay vao ny lisitra. “Mba hisian’ny mangaraharaha dia ny fitsirihana ny rindram-baiko no tokony hirosoana voalohany mba hanana toky fa mahavaha ny olana nisy teo aloha ny fampiasana azy io kanefa tsy hitondra olana vaovao. Ny fanangonana ny tataon-kevitra momba ireo mpifidy sy ny fanamarihana ary ny fiarovana azy ireo dia tokony hisy fenitra mazava ary anisan’ny dingana tsy maintsy dinihina. Ny valin’ny fitiliana dia tokony hahafahana manitsy ny lisitra izay hita taratra hatreto fa misy tsy fihetezana maro mifanipaka amin’ny lalàna ny fanatanterahana azy”, hoy ny fanambarana niraisan’izy ireo novakian’I Alain Désiré Rasambany. Nilaza noho izany ny mpanohitra, fa tsy feno ny fepetra ahafahana mitsirika ny antontan’isa ao anatin’ny lisi-pifidianana satria mbola mandeha ny fisoratana sy fampidirana anarana ka tsy misy fitsirihana feno azo atao ahafahana mandrefy ny maha lavorary ny vokatra. Noho ireo antony ireo, tsy feno ny fepetra hanatanterahana ny fitsirihana ny lisi-pifidianana, ka lavinay avin-drano marin-drano noho izany ny paikady ampiasaina amin’ny ahatongavana amin’ny fankatoavana ankolaka ny lisi-pifidianana izay hita fa mety hampiteraka savorovoro eo amin’ny mpifidy sy ny vahoaka Malagasy, hoy ny fanambarana. Dingana tsy azo hihodivirana ary takianay eto am-piandohana ny hametrahana rijan-teny fitarihana na TDR (Terme de Reference) mazava sy iarahan’ny mpisehatra rehetra manaiky momba ireo fitsirihana rehetra, hoy ny mpanohitra. Nilaza ireto mpanohitra ireto fa efa nisy ny fifampidinihana tamin’ny OIF nametrahana fanontaniana saingy tsy nahazoana valiny mahafa-po, ka nivoaka ny trano fivoriana noho izany ireo.
MILA MIROSO AMIN’NY NOMERIKA
Mbola tsy mety mipetraka izany aloha hatreto ny fifampitokisana mikasika ny fikirakirana ny fifidianana. Eo ny mety olana ara-drafitra fa eo ara-kajimirindra sy lisitra. Isaky ny manao fifidianana izany dia olana foana io. Isan’ny vahaolana efa fanaon’ny any ivelany ny firosoana amin’ny teknolojia sy ny nomerika. Lany vola manota kara-pifidianana isan-taona isika, resahina foana ny “digitalisation”, ka nahoana moa raha ny karapanondrom-pirenena, ohatra, no hatsaraina hanaraka ny teknolojia, dia iny ihany no hampiasaina fifidianana? Mety somary lavitr’ezaka saingy azo atao tsara, ary ahafahana mandresy kokoa ny halatra sy hosoka ny teknolojia.
Toky R
 

Dans la même rubrique

08-mai-2024

Tsy mitanila amin’ny kandidam-panjakana marina ve ny rafitra mpikarakara ny fifidianana ary

Card image cap
08-mai-2024

Nisokatra ofisialy omaly 07 mey 2024 ny fivoriana ara-potoanan’ireo andrim-panjakana

Card image cap
08-mai-2024

Tena tandidonin-doza ny boriborintany faha 4 satria Jiolahimboto no mibaiko ny sefo distrika sy ny prefe,

Card image cap
07-mai-2024

Roa andro mialohan’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana solombavambahoaka,

Card image cap
07-mai-2024

Nanao fampahafantarana tetsy amin’ny Castelo motel Anosizato omaly ny sefo fokontany sy sefo fokontany

Card image cap
07-mai-2024

Hita fa tsy nahomby ny tetik'asa maro teto Antananarivo. Dibo-drano ny tanàna

Card image cap