airtel

Politique

26-janv-2024

Noboriborian’ny HCC ny resaka

« Manohy ny asany ireo ben’ny tanàna, soloy PDS izay efa tsy eo »

Sample post image

Ny 10 janoary 2024 lasa teo no tapitra tanteraka ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny

26-janv-2024

tanàna manerana ny Nosy. Tao aorian'ny fangataham-panazavana nataon'ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin'ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana HCC ny 18 janoary momba ireo Ben'ny Tanana sy ireo mpanolon-tsain'ny tanana izay efa lany fe-potoam-piasana dia namaly izany ny HCC androany. Notapahan’io rafitra io, fa mitohy toy ny teo aloha ny asan'ny Ben'ny Tanana sy ireo mpanolontsaina mandra-pahatongan'izay mety ho solon'izy ireo amin'ny fifidianana izay hatao amin'ity taona ity ihany. Misolo ho Filohan’ny Delegasionina manokana na PDS kosa ho an'ireo kaominina maty na niala sy nametra-pialana na voatendry amin’ny andraikitra hafa ny ben’ny tanàna. Somary hafahafa ihany moa ity fanapahan-kevitra ity hoe : fahefan’ny HCC ve io ? Tena mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ve ? Ho vita amin’io valin-tenin’ny HCC io sa mbola hisy didim-panjakana ? Andaniny, nisy ilay fanovana sy fikitihana ny lalàna 2014-020 tamin’ny 27 septambra 2014, izay navadika ho 5 taona ny fe-potoana hiasan’ny ben’ny tanàna, ary nisy fiovana pitsopitsony fahazoana ny toerana ho mpanolontsaina monisipaly, izay efa nolanian’ireo antenimiera, saingy mbola tafiditra ao anatin’ny horesahan’ny governemanta sy hampidirany ny heviny raha jerena amin’ny fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana noraisina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra. Naman’ny nohalavaina izany ny fe-potoana hiasan’ireo ben’ny tanàna izay efa lany fe-potoana iasana, ka any amin’ny volana jolay any no hanatanterahana an’io raha tsy misy ny fioavana. Tsy mbola mihatra anefa ilay 5 taona raha tsy amin’ireo ben’ny tanàna voafidy manaraka eo satria mihemotra amin’ireo tany aloha ny fampiharana ny lalàna izay mbola tsy nandalo teo anivon’ny HCC ny maha araka ny lalàmpanorenana azy na tsia, ary tsy mbola nisy didy fampiharana avy amin’ny Filoham-pirenena. Rehefa ho amin’ny tombotsoa politika dia maika ny fanatanterahana ny fifidianana ho fanajana ny lalàmpanorenana na fifidianana maloto sy ahiana ho nanjakan’ny hosoka tahaka ilay fifidianana filoha teo aza, fa rehefa tsy dia misy mahamaika dia azo boriboriana ny resaka, ary azo atao tsara ny tsy miraharaha ny fanatanterahana azy sy fanalavam-potoana ho an’ireo am-perin’asa.
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap