airtel

Politique

21-nov-2022

Politique

Norbert Lala Ratsirahonana Tsy filohan’ny AVI intsony, ny politika mitohy

Sample post image

Nanambara ofisialy ny fialany tsy ho Filoha mpitantana ny Antoko AVI (Asa Vita no Ifampitsarana) Atoa Norbert Lala Ratsirahonana,

21-nov-2022

araka ny fanambarany nandritra ny Kongresim-paritr’ity antoko ity tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo. Feno 84 taona ny 18 novambra teo moa Atoa Norbert Lala Ratsirahonana izay teraka tany Antsiranana ny 18 novambra 1938. Na tsy ho Filoha mpitantana ny AVI aza anefa Atoa Norbert Lala Ratsirahonana dia naman’ny nampita fanilo amin’ireo politisianina heverina fa novolavolainy, saingy tsy hisintaka amin’ny politika akory. “Efa ela no nieritreretana azy, efa tamin’ny taona 2006 kanefa tsy nety tanteraka satria tena nisy fanoherana be tao anatin’ny Antoko. Tamin’ity kosa tena tapa-kevitra na misy fanoherana na tsia. Manapa-kevitra aho manomboka androany ny fandraisako anjara amin’ny asa amant-draharaha amin’ny maha filohan’ny Antoko manomboka androany. Izany fanapahan-kevitra izany tsy mora ny nandraisana azy satria 25 taona no nitantanana ny antoko, 25 taona ny nananganana azy. Misy zavatra mba vita ihany satria nandray anjara tamin’ny fifidianana matetika ny antoko, nandray anjara tamin’ny governemanta,…”, hoy izy ny sabotsy 19 novambra 2022 teo tao Toamasina. Nisy vokatra hita foana hatramin’izay, saingy tonga ny fotoana heverina fa hampitsaharana ny asa maha Filoha, hoy izy. Naneho I Norbert Lala Ratsirahonana, fa fotoana izao hamindrana ny fanilo amin’ny tanora. Tsy misintaka amin’ny antoko AVI anefa izy fa mijanona ho Filoha mpanorina sy filoham-boninahitr’ity antoko naoriny ity. Telo mianadahy no notendrena hitantana sy handrindra ny Antoko mandra-pahatongan’ny Kongresy handinihana ny rafitra sy hisafidianana izay ho filoha mpitantana, ka ireto avy izy ireo: Atoa Jean Jacques Rabenirina, Atoa Sylvain Rabetsaroana, ary Rtoa Ndahimananjara Johanita. Iny tamin’ny sabotsy teo iny ny tenany no nikabary farany amin’ny maha Filohan’ny Antoko AVI azy. Ny tenany izay marihina fa efa avy filohan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC), efa Filoham-panjakana ny taona 1996, ary voasokajy ho isan’ireo mpanao politika tena nanana ny anjara toerana lehibe indrindra tamin’ny raharaham-pirenena sy ny toe-draharaha politika teto Madagasikara. Isan’ny mahafehy azy ilay fanambarana nataony vao tsy ela nilaza fa izay Fanjakana ialan’izy ireo dia miongana avokoa, ary raha ny tantara tokoa aloha raha ny tato anatin’ny 20 taona farany dia isan’ny tratran’izany ny Amiraly ny taona 2022, niongana I Marc Ravalomanana ny 2009 ka Atoa Ratsirahonana no isan’ny namolavola ny paikady ara-taratasy niakaran-dRajoelina, toa niara-dàlana kely tamin’ny HVM ihany koa avy eo nisara-dàlana,… Fanontaniana azo apetraka ihany koa anefa ny hoe: tena izay ialan’ny AVI no miongana sa ny AVI no tsy mitaingina soavaly mary? Hatreto, mbola miara-dia ary anatin’ny vovonana manohana ny Filoha Rajoelina ny AVI ka asa na ho izay hatramin’ny farany na mety hafa ny sary hiseho ?

Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap