ity ny kandida hotohanan’ny Antoko amin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Nambarany aza fa malalaka amin’ny safidiny ny Mpikambana. Mbola vitsivitsy ny nilaza fa hilatsaka, na efa hitahita aza, saingy mbola tsy afaka hilaza ny AVI hoe: iza no hotohanany? hoy ny Filoha mpanorina azy. Mety misy hilaza hoe: ianareo ao anaty fitondrana, izay ekena fa marina kanefa na tiana na tsy tiana, ny AVI tsy manana foto-kevitra ka hanery ny mpikambana ny ao aminy hoe: tsy maintsy ity no fidianao satria tsy manana kandida azy manokana fa hoe: hanohana kandida, hoy hatrany I Norbert Lala Ratsirahonana. “Noho izany, manana safidy malalaka amin’izay alehany ny AVI”, hoy izy nanamafy. Noresahany manokana aza ny mikasika an’Atoa Jean Jacques Rabenirina izay miaraka amin’i Siteny Randrianasoloniaiko, lasa resabe sy mahatonga ny mpanara-baovao politika hilaza hoe: miaraka amin’io depiote malaza ho kandida io izany ny AVI. Nahitsy I Norber Lala Ratsirahonana nilaza fa “Raha atao hoe: niaraka tamin’iny olona avy any Toliara iny Atoa Jean Jacques Rabenirina dia tsy hitako izay olana amin’izany”, hoy izy. Tsy zazakely io fa lehilahy lehibe mpampianatra amin’ny oniversite ka mahalala ny tokony hataony, hoy ny Filoham-boninahitry ny AVI. Nataony vazivazy ihany koa aza ny loko manga sy mavon’I Siteny mitovy amin’ny azy ireo, saingy nambarany fa tsy mametraka olana amin’izany loko izany ny AVI. Aza endrikendrehina kosa anefa izahay hoe io ny kandidanareo, ary mbola tsy nanambara ny ho kandida izy amin’izao, hoy Atoa Norbert Lala Ratsirahonana. “Safidiny manokana izany, ary tsy manome tsiny azy aho, tsy azo omena tsiny izy”, hoy kosa ny Filoha mpanorina ny AVI eo anatrehan’io fiarahan’i Jean Jacques Rabenirina amin’I Siteny Randrianasoloniaiko io. Raha tarafina amin’izany, mbola mitazana ny AVI, ary tena manao politika amin’ny maha isan’ny antoko tranainy azy. Mety tsy tena manana antoka 100% amin-dRajoelina intsony ny AVI na manana olona ao anaty Fitondrana aza raha halalinina, ka aleony milalao politika avo lenta manome fahalalahana malalaka ny ekipany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, ka na iza na iza lany eo mety tsy ho very mandeha ity antoko ity.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby