airtel

Politique

17-juin-2022

Politique

Nosy Be Naiditra am-ponja i Ninie Donia

Sample post image

Mafampana ny toe-draharaha ao Nosy Be. Naiditra am-ponja vonjimaika i Ninie Donia fantatry ny maro amin’ny maha mpisehatra ara-politika ankoatra ny maha mpanakanto mpanjakavavin’ny salegy azy.

17-juin-2022

Resaka ady tany no hanenjehana azy, ary tsy izy irery fa miisa 14 izy ireo no nidoboka am-ponja raha ny vaovao azo omaly. Raharaha efa tany amin’ny taona 2021 ity mitohy ity indray satria ny volana desambra tamin’ny taon-dasa, dia efa nisy ny fisamborana azy, saingy nitsangana ny vahoaka ka navotsotra izy. Resaka fakan'ny vahiny sy ireo mpanam-bola ny tany no voalaza fa antony nijoroany. Niaro ireo Malagasy voalaza fa voaroba tany. Nenjehana ho mizara ny tanin'ny Sirama amin'ny Vahoaka anefa izy. Nisy raharaham-pitsarana efa mandeha moa, fa io nisy sakoroka tamin’ny desambra io niatoato, kanefa nifoha indray. Tsara ny mampahatsiahy fa Kandidan’ny Antoko TIM tamin’ny fifidianana depiote farany teo Ninie Donia, mpitarika ny RMDM any an-toerana,… Ny volana aprily teo, nisy ny famelo-maso na “redynamisation” an’ny Antoko TIM tany Diego izay notarihin-dry Ninie Donia, saingy somary nohetraketrahina ihany. Nampanantsoina tany amin’ny Biraon’ny mpitandro filaminana izy sy ny namany avy eo. Mihevitra noho izany ireo mpiara-dia amin’ity mpanakanto sady mpanao politika ity fa misy ambadika sy hetraketraka politika ny fanenjehana azy. Andrasana ny tohiny sy ny fivoahany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap