airtel

Politique

03-mars-2023

Politique

Notebahan’I Voninahitsy I Kaleta “Mipetraha tsara rehefa mba mitaty ran-kena”

Sample post image

Tonga ny valin-kafatra mivaivay avy amin’ireo depiote sasany teo anatrehan’ny fanakianana mivaivay nataon’Atoa Soja Jean André na Kaleta ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena.

03-mars-2023

Tonga hatrany amin’ny fitakiana ny fanesorana an-dRtoa Christine Razanamahasoa mihitsy moa io Mpanolontsaina manokan’ny Filoha io. Mifoha ny fampahatsiavana fa efa kandida depiote IRD tao Taolagnaro I Kaleta fa tsy lany, ary notendrena ho mpanolon-tsain’ny Filoha ny aprily 2022, ka tsy izy mihitsy no tokony hanome lesona. “Amiko ireny fampiadiana ny antenimiera sy ny Fiadidian’ny Repoblika, ary ny famakiana ady amin’ny depiote ohatr’ireny dia manimba zavatra. Aza adinoina, fa ny depiote afaka manao “motion de de censure” sy “motion d’empechement”, hoy ny Depiote Naivo Raholdina. « Tsy ho izy mihitsy no haniratsira ny filohanay, tsy olom-boafidy I Kaleta, olom-boafidy misy hasiny ny Filohan’ny antenimiera ka tsy tokony hovingavingaina sahala amin’ny zazakely tahaka ireny », hoy i Voninahitsy Jean Eugène. Mbola nampiany aza hoe: “Mba mipetraha ihany fa olom-be ianao rangahy fa tsy hanao zavatra tahaka ireny. Iza ianao no hampitandrina azy io, rehefa mba mitaty ran-kena ao mba mpanolontsaina ao, mijanona ao”.. Momba ny toe-draharaha ao Tsimbazaza, voahitsakitsaka ny zonay, na misy aza ny fikononkonana hanao fitsipahana ny birao maharitra, dia milaza ity depiote ity, fa tsy hahazo maro an’isa izay mikasa an’izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap