airtel

Politique

12-mars-2026

Ntsay Christian

Nangataka fialokalofana politika any Frantsa...

Sample post image

Namafisin'ny fampahalalam-baovao vahiny

12-mars-2026

Africa Intelligence omaly 11 marsa 2026, fa nangataka fialokalofana ara-politika tany Frantsa i Christian Ntsay, Praiminisitra teo aloha. Tamin’ny faran’ny volana febroary 2026 no nandrotsaka an-tsokosoko ny fangatahany tao amin’ny OFPRA (Office français de protection des réfugiés et apatrides). Ny fialany an’i Madagasikara dia nifandray tamin’ny hetsi-bahoaka goavana izay nitarika ny firodanan'ny Fitondrana teo aloha notarihin'i Andry Rajoelina, izay voalaza fa nalain’ny miaramila Frantsay niala teto, nakany Dubaï avy eo. Tamin’ny alin’ny 11 hihazo ny 12 oktobra 2025 no nandositra tamin’ny fiaramanidina manokana nankany Maorisy i Ntsay Christian, niaraka tamin’ny vadiny sy ilay mpandraharaha mpanefoefo Maminiaina Ravatomanga, tompon’ilay jet. Raha mbola voatazona any Maorisy Ravatomanga, dia tsy nisy fitoriana nanenjehana an’i Ntsay tany amin’ilay nosy, ka afaka nandeha tamin’ny sidina ara-barotra nankany Paris izy. Asa hanao ahoana ny fangatahany amin'ny maha olona olona tao anaty Fanjakana Rajoelina azy? Nandray ny andraikitry ny Praiminisitra nandritra ny fe-potoana roa nitondran’i Rajoelina (2018–2025). Teraka tao Diego-Suarez, Ntsay dia efa minisitry ny fizahantany tamin’ny taona 2002–2003 teo ambany fitondran’i Marc Ravalomanana, ary avy eo nitantana ny biraon’ny OIT (Organisation internationale du travail) teto Madagasikara nandritra ny folo taona (2008–2018). Ity fialokalofana ity dia manokatra adihevitra vaovao hatrany eo amin’ny fifandraisana ara-diplaomatika amin’i Frantsa, izay zary lasa fieren'ireo mpanao politika heverina ho avy nanao ny tsy nety teto Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap