airtel

Politique

12-mars-2026

Ny fotoan-tsarotra

no handrefesana azy !

Sample post image

Mafimafy ny tsio-drivotra politika !

12-mars-2026

Mafampana ny toe-draharaha anatin’ny Firenena tao anatin’ny 72ora ! Midika izany fa tsy afaka mandrimandry manana aretina ny mpitondra Fanjakana. Tsy finiavana hivoy horohoron-tsaina na hitanisa ireo toe-javatra hafahafa mandeha, fa tokony hampandinin-tena ny rehetra ireny. Henjakenjana ihany ireo fanapahan-kevitra nipoitra sy fanambarana politika nitranga tao anatin’izay telo andro izay. Mbola vao ny politika ireny, fa mandindona aoriana ihany koa ny mety ho ambana ara-toekarena tsy mifandraika amintsika samirery fa mifamatotra amin’ny toe-draharaha iraisam-pirenena. Tsy afaka ny hitamatama isika mazava ho azy, tsy afaka ny hanamavaimaivan-javatra toy ny mpitondra teo aloha izay naneho fa tsy rototra tamin’ireo ambana samihafa na nampandry adrisa tamin’ny lainga sy ny fampanantenana poakaty ankoatra ny fangejana politika, fanapenam-bava, fampiasan-kery,… Mandady ny trambo, ary azo lazaina ho sedra goavana faharoa taorian’ny rivodoza atrehan’ny fitondrana fanavaozana mazava ho azy ny fandaminana ny toe-draharaha politika, fiomanana amin’ireo ambana ara-toekarena, fiatrehana ny mety ho fisiana ambana sy tsindry ara-jeopolitika sy iraisam-pirenena,… Mety tsy dia hita taratra amin’ny fotoana milamina fa ny fotoana isiana olana lehibe tahaka izao sy ny aoriany no handrefesana ny fitondram-panjakana iray hoe manao ahoana ny fomba famahany sy fiatrehany ny olana. Dia miandry izany ny rehetra amin’ny paikady sy fanapahan-kevitra ary ny fomba fiasa hoentin’ny fitondram-panjakana manoloana ireo toe-draharaha lehibe raha tsy hilaza afatsy ny fanendrena praiminisitra sy governemanta, fanapahan-kevitra manodidina ny fitantanana ny Renivohitr’i Madagasikara,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap