airtel

Politique

11-févr-2025

Ny olona nilaza hanova tamin’ny 2009

«Vao mainka nampilentika an’i Madagasikara»

Sample post image

Andao haverina amin’ny hasiny ny politika sy maha mpanao politika eto Madagasikara,

11-févr-2025

hoy ny antoko politika Maeva! Raha io seza io na io vola io na io voninahitra io, hoy ny filohan’izy ireo, Mamy Raharimanana, no mibahana voalohany am-po sy saina ary fanahy hanaovao politika tonga dia mijànona! Izany no mahatonga ny olona tsy hifidy intsony. Inona izao no tena praograma maty paikan’ny mpitondra ankehitriny hanarenana ny firenena? Fotodrafitrasa izany tsy maintsy atao na hoe «fonction régalienne» ka aza ireharehana! Tokony hisy fanavaozana ifotony mihitsy ny fanaovana politika eto Madagasikara! Jereo ny famaritana ny atao hoe politika ao anaty rakibolana! Rehefa tsy hainao ny famaritana ny atao hoe politika dia aza manao politika valifaty fa tsy mety! Ny olona nilaza hanova tamin’ny 2009 izao vao mainka nampilentika an’i Madagasikara hatramin’izao 2025 izao! Tsy nisy vokany ny tolona tamin’ny 2009. Tsy nisy niova fa vao mainka aza zava-doza! Talohan’ny 2009 niakatra ny harinkarena fa izao tena nidina. Farany mahantra eran-tany isika. Izay no hanentanana hoe aleo hajanona daholo ny lonilony politika dia mifampiresaka isika rehetra fa izany no atao hoe olom-panjakàna na «homme d’état» sy manana jery lavitra ho an’i Madagasikara, hoy hatrany ity antoko politika ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

10-nov-2025

Mankato ny Kolonely Michael Randrianirina

Card image cap
10-nov-2025

ny fanapahan-kevitra taitaitra

Card image cap
10-nov-2025

fitondrana izao, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
10-nov-2025

Efa nanantitrantitra ary nampiaka-peo

Card image cap
07-nov-2025

andresena ny fitsabahan’ny any ivelany»

Card image cap