tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Ny olon’ny fitondrana aza kivy “Minisitra maro tokony hosoloina…”

Nangingina indray ilay resaka fikitihana governemanta, raha toa ka efa hatrany amin’ny faran’ny taona no nandeha ny resaka.

02-févr-2023

Sample post image

Nisy rahateo ilay fitsipaham-pitokisana nataon’ny solombavambahoaka miisa 105 tamin’ny 7 desambra 2022. Natsefotra moa iny, saingy mbola nisy ireo depiote nilaza fa tsy afa-po amin’ny governemanta, ary depiote mpanohana fitondrana mihitsy no nisy nilaza ampahibemaso fa tokony hoesorina ny minisitra ranona sy ranona, tonga hatramin’ny hoe: manohana ny governemanan’ny fosokafana fa kosa olona tokony tsy manilikilika ny TGV. Na ireo depiote izay tsy volomboasry nilaza fa mitsipaka ny fitsipaham-pitokisana aza, nisy nilaza indray fa minisitra 15 ao anatin’ny governemanta farafahakeliny no mila hesorina raha te ho tafavoaka ny filoha Rajoelina, ary lasa lohan’ny mpisorona tamin’ilay hetsika politika Lera. Nivoaka tamin’ny fahanginany kosa ny Praiminisitra Ntsay Christian ny 20 janoary 2023, fa karazana fanakorontanana ny fitsipaham-pitokisana, ary ny Filoham-pirenena no isan’ny nokendrena tamin’izany. Nilaza mihitsy aza ny tenany, fa raha no voalaza fa nanasonia an’ilay fitsipahana, dia 108 ny sonia manohitra ny fitsipaham-pitokisana, hoy izy. Niakatra ho 213 ve izany ny isan’ny depiote ao Tsimbazaza izay 151 no tena izy? Nangingina ny resaka fikitihana governemanta, saingy mifoha indray ankehitriny ny fanambarana politika manakiana ireo Minisitra. Tsy olona avy any ivelany, fa ny ao anatin’ny Fitondrana no manao izany, taorian’ireo depiote IRD sasany izay manana olana amin’ny Minisitra iray na vitsivitsy ao anaty governemanta. Nanaitra mantsy ny fanehoan-kevitr’Atoa Moussa Soalihy hita tamin’ny haino aman-jery omaly, izay olona anatin’ny fitondrana naneho, fa tena minisitra maro no tokony hosoloina, fa “minisitre de salon” fotsiny, raha ny nambarany. “… “Minisitre de salon” ny ankamaroany, tsy nisy hita tamin’ny loza nanjo ny Malagasy, kanefa nipoitra rehefa nisy ny fambolen-kazo. Misy anefa Minisitra izay “minisitra coach” misahana faritra maromaro. Ny zava-misy amin’izao mihitsy no manosika ny Filoha hanolo ekipa, ka tsaratsara manova minisitra, maro no tokony hosoloina, mila olona mahomby sy tena manana endrika tsara amin’ny vahoaka. Soloy fa tsy mahavita ny filan’ny vahoaka… “, hoy ny ampahan’io fanehoan-kevitra io. Tsy tongatonga ho azy ireny ka asa hoe: hisy ve ny fikitihana ato aho ato ka alefa mialoha ireny mba hanamarinana azy hoe: ny olona anaty fitondrana aza resy lahatra fa mila ainga vao indray ny governemanta? Misy olona manahirana ve ny manilika azy ka aleo ny ao anaty fitondraa mihitsy no hanamafy izany fa tokony hoesorina I ranona na I ranona? Amin’ny fijery iray hafa ihany koa dia porofo miharihary fa ny olon’ny fitondrana aza vaky vava fa tsy mahomby sy tsy mamokatra ny fahefana mpanatanteraka. Hanova zavatra ve anefa ny fikitihana na fanovana raha hisy sa paikady politika hoenti-manarontsarona ny tsy fahombiazana? Mbola misy azo antenaina ve na handeha aza ny fikitikitihana governemanta izay tsy vao sambany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus