hoy ny mpandraharaha sady mpanao politika, Ny Rado Rafalimanana. Lany ny 60 litatra noho ny fitohanana, hoy izy. Niainga Ilafy ka nihazo Ambohitrarahaba-Andranobevava-Amboditsiry-Andravoahangy-Mahavoky-Besarety-Ampandrana-Faravohitra-Ambohijatovo-Analakely-Behoririka-Antanimena-Vasakaosy-Ankazomanga-67ha-Antoamandinika-Isotry-Andavamamba-Ampefiloha-Anosy-Anosibe-Namontana-Tsimbazaza-Ambanidia-Ambatoroka-Mandroseza-Ambohipo-Ankatso-Ankorahotra-Andohalo-Ambatonakanga-Antaninarenina-Isoraka-Tsaralalana-Soarano-Tsiazotafo-Ankadifotsy-Ankorondrano-Alarobia-Andraharo-Ambodimita-Andranomena- Andohitapenaka-Anosizato. Ny tsapako dia misy toerana vitsivitsy iangaran'ny vitana, izay voakarakara ary feno mpitandro filaminana ary mizotra tsara ny fifamoivoizana. Tsy misy fako. Ny ankamaroany kosa dia tena maloto, feno olona, tsy misy hahafantarana azy intsony hoe renivohitra, ny fitohanana maharitra ora mihitsy, maloto feno fako, vitsy ireo mpitandro filaminana. Hitako mametaka kamera maro ny CUA. Tsara ilay fivoarana fa mety tsaratsara kokoa raha harindra tsara aloha ny rehetra vao hapetaka ireny kamera ireny satria ny rehetra mihitsy no tsy misy manara-dalana ka atao inona ireo kamera ireo? Maro loatra ireto fiara raitra Mercedes Benz mpitatitra olona ireto koa manjary mameno arabe fotsiny. Maro ireo fiara mpandefa “gyrophare” satria maika angamba izy ireo! Araky ny lalampanorenana daholo ve ireny sa lasa filohana andrim-panjakana daholo ireo manisy saina eo anoloana na “pare-brise”. Tsy miraharaha fandamina intsony ireo mpivarotra fa manao izay mampety azy ireo. Sao misy kopaka hisasahana kosa ary miaraka amin’izy ireo satria izay hanontaniana ireo mpivarotra anaty arabe dia milaza fa mandoa hofan-tsena hono? tsy hay izay fahamarinany. Marefo ny Malagasy. Resy amin'ny fitadiavana izy ireo dia voatery miakatra eto andrenivohitra daholo na dia tsy misy atao aza ka mirenireny fotsiny. Ny tena mahazo tombony amin’izao dia ny orinasa mpivarotra solika, mpivarotra kojakoja fiara, mpivarotra ambongadiny ireo entana amidin’ireo malagasy eny amin’ny arabe. Kanefa dia ireo karazana mpivarotra miisa 3, ireo vahiny karana, sinoa, frantsay daholo no mahazo ny tombony satria zavatra nafarana na “importé” daholo ireo. Ireo sehatra miisa 3 ireo no “business killing” na famonoana ny toekarena eto Madagasikara. Mila mandinika isika fa tsy vitan’ny resaka politika intsony amiko fa efa fanambakana ny malagasy izao. Azo halamina io raha manana finiavana ny mpiadidy isan-tsokajiny malagasy hanana fijery lavitra. Mitodika ny tanoran' Antananarivo ny tenako. andao tsy havela ho potika ilay tananantsika. Manaova ianareo tetikasa hanatsarana ny tananan-drazantsika. Ny hamaranako azy dia andao ny mahaolona aloha no jerena, hoy hatrany ity filohan’ny fikambanambe Fanahy maha olona ity.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby