CENI mikasika ny firotsahan’i Rivo Rakotovao tao Mahajanga. Nilaza ity farany, fa tsy ny Firaisankina no vaky ny Pro-Siteny no nivadika. Maro be ny fitoriana nataon’ny Firaisankina na tao amin’ny CENI na teny amin’ny Tribonaly miady amin’ny Fanjakana, fa tsy nisy nahazo rariny mihitsy, raha mbola zotram-pitarainana ara-pifidianana, hoy ny depiote Fidèle Razarapiera. Mahazo rariny izy, ary misy tsipelina ahitana fa mitanila ny CENI, ary sambany tamin’ny fitarainana hoe : ivelan’ny fitondrana no mahazo rariny, avy ao amin’ny Fitondrana ihany izany satria ilay kandida dia PDS lefitra, ka Fanjakana ihany ilay tohanana amin’ny anaran’ny Pro-Siteny, hoy i Fidèle Razarapiera. Tonga hatramin’ny resaka fa tokony hesorina ao anatin’ny Vovonana Firaisankina sy hesorina tsy ho depiote i Siteny Randrianasoloniako sy Afakandro Christian toy ny nanaovan’ny volomboasary ny Filohan’ny antenimierampirenena teo aloha Christine Razanamahasoa sy ny Filohan’ny Antenimieranodoholona teo aloha Herimanana Razafimahefa. Nialoha an’izao no efa nandehanan’ny tsikera politika fa avy amin’ny mavomavo no fositra tamin’ny andron’ny C11 na ny Vondron’ny kandida tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena.
« ESORY TSY HO DEPIOTE IZAHAY RAHA SAHY »
Niradraraka kosa ny valin-kafatry ny depiote Afakandro Christian, izay nilaza fa nisoloky mampiasa ny anaran’ny Firaisankina tsy nahazoana alalana i Rivo Rakotovao fa tsy hoe : namadika ny pro-Siteny. Ity farany izay nanitrikitrika fa tsy maintsy misy sonian’i Siteny Randrianasoloniaiko sy Marc Ravalomanana Filoha mpiara-mintantana ny Firaisankina vao kandida. Lainga ezahina hafafy ny filazana anay ho nivadika, fanarahan-dalàna izay, fa i Rivo Rakotovao no zatra manao tsindry sy manao bontolo, hoy i Afakandro Christian, izay nilaza fa tsy misy resaka etika na « discipline de partie » io. Betsaka ny fanaratsiana ataonao Fidèle, ka efa mihoatra ny fetra,… Tsy izay rehetra ataon-dRavalomanana dia mety amiko, fa mbola tsy nanambanimbany an’i Marc Ravalomanana aho, fa mangina rehefa izay no tapaky ny maro, hoy ity farany. Ohatra amin’izany ny fanendrena kandida ao Antananarivo izay tsy noraisin’ny Firaisankina an-tanana fa noraisin’ny TIM, dia vaky ve ny Firaisankina, mba manana 10% ny Pro-Siteny tao tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fa mangina, tsy misy ady, tsy nametraka olana,... araka ny filazany. « Tsy fanalana ny Filoha Rajoelina no tanjona ka hamerina ny « centralisete » dia tsy izahay tsy manaiky. Tsy resaka volomboasary niala, fa ianao no tena mpivadibadika,… Mamango ny TIM sy HVM, misy tsy mety ataoanareo fa mangina izahay… Raha tianareo Firaisankina dia roahy fotsiny, esory tsy ho depiote izahay raha vitanareo. 16 taona ianareo tsy nahafaka an’i Andry Rajoelina, fa raha te hanao an’izay dia mila fisokafana, fa tsy fanakavahana no hakana io fahefana io. Tsy mety resy lahatra fa tsy mahomby… », hoy ity depiote ity. Tena manana fahatokisan-tena fatratra, fa tsy ho voahongotra tsy ho depiote izany na hitory aza ny Firaisankina. Inona no ambadiky ny fahanginan’i Marc Ravalomanana sy Siteny Randrianasoloniaiko sa samy miborosy ny soavaliny ? Tantara mitohy !
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny