airtel

Politique

05-sept-2022

Politique

Olom-boatendrin-dRajoelina Miseho tsikelikely ny adalan’ireo governora sy ny ekipany

Sample post image

Nanomboka tany amin’ny resaka fihetsika mamoa henatra nataon’ny governoran’Alaotra Mangoro tamin’ireo mpiara-miombon’antoka Frantsay avy any Ille-et-Vilaine izay vao nalana amin’ny toerany farany teo no nanomboka

05-sept-2022

nitohivakana ny ampamoaka momba ny ataon’ireo governor sy olon-kafa ambany fifehezany. Taorian’io dia niaraha-nandre indray ny fisiana fanamparam-pahefana nataon’ny talen’ny kabinetran’ny governoran’I Melaky izay namoaka an-keriny ny mpamiliny notazonina tanaty biraona mpitandro filaminana iray. Nametra-pialana moa ity tomponandraikitra ity taorian’izay, raha ny fampitam-baovao farany voaray. Ny sabotsy teo indray dia voalaza ho nanao fihetsika feno fandrahonana sy fandraisana vozon'akanjo ny filohan’ny mpianatra Amoron’I Mania koa ny mpikamban’ny kabinetran'ny governor ao amin’ny faritra Amoron'i Mania. Nandray fanapahan-kevitra moa ny fikambanan'ny mpianatra Amoron'i Mania na FI.MPI.A.MANIA fa manameloka tanteraka izao fihetsika atao amin’ny mpianatra izao. Iny fa nipoitrakoa, mbola ny sabotsy teo ihany koa, ny dosie momba ny fandaniana fahanana “credit” mitentina 83 tapitrisa Ariary be izao hoe lanin’ny governoran’I Melaky fotsiny nandritry ny volana jolay ihany anefa. Isany koa ny hoe mananika ny 200 tapitrisa Ariary no lany tamin’ny solika. 65 tapitrisa Ariary isam-bolana no voalaza fa totalin’ny karaman’ireo mpiasa nefa tsy misy tetikasa mandeha amin’izay laoniny. Samy miezaka miaro sy manadio ny tenany moa ireo tomponandraikitra niharan’ireo ampamoaka tamin’ny herinandro rehetra ireo ka dia andrasana tokoa, araka izany, ny valin’ny fanadihadiana ofisialy. Hatreto aloha izany, raha ny mikasika ireo governora sy ny tontolony no ambara, dia miharihary ny tsy maha anaty lalampanorenana azy ireo, raha mitombona tokoa ireo ampamoaka rehetra ireo.Ny tsapa ihany koa dia tsy manana tahotra vahoaka ireo olom-boatendry sasany ary mihevitra azy ho Andriamanitra kely mihitsy angamba.Izay no maha zava-dehibe an’ilay hoe aleo fidiana fa tsy tendrena sy soloina lava isaky ny manao adalana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap