airtel

Politique

24-oct-2022

Politique

Olon’ny fitondrana be afera Efa tena ambonin’ny lalàna…

Sample post image

Efa tena ambonin’ny lalàna ny ankamaroan’ny olon’ny fitondrana ankehitriny, mandrefy ny fitsarana sy ireo rafitra miady amin’ny kolikoly, manararao-pahefana sy misalovana ny fahefan’ny hafa mihitsy,

24-oct-2022

raha tarafina amin’ny zava-miseho sesilany. Inona anefa no andraikitra raisin’ny filoha sy izay tokony handray fanapahan-kevitra momba ireny? Sa efa tena voarefy sy voageja tsy afa-manoatra ka na maloto sy mihosom-potaka aza ilay Fitondrana iafiana? Sa kosa efa tena kopaka isasahana avo lenta satria efa ho lany ny paiso an-kady, ho tapitra fe-potoana hiasana ka samy mangorona izay azony? Nalaza ny faran’ny herinandro teo fa tsy namaly ny fampanantsoan’ny Bianco azo ny depiote Lanto Rakotomanga izay voarohirohy amin’ny fandripahana hazo sarobidy ankoatra amin’ny fisandohana andraikitra tamin’ny famoahana fahazoan-dàlana hitatitra hazo. Tsy vao sambany ny toy izao, fa tsaroana ihany koa ny fanesoran’ny Minisitry ny fitaterana Atoa Roland Rajatoelina an-dRtoa Rinah Rakotomanga tsy ho solontenan’ny Minisiteran’ny fitaterana tao anatin’ny Air Madagascar izay niova ho Madagascar Airlines fa toa tonga tany amin’ny hoe: izay iray isika drodroka! Ampahany ireny, fa betsaka ny endrika isehoan’izany, saingy ho an’ny olon’ny fitondrana dia toa tsy ny lalàna intsony no mifehy azy, fa ny lalàna no natao ho feheziny. Raha tsy izany ve ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena hilaza hoe: izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap