airtel

Politique

01-sept-2021

Politique

Paikady fandaminana Miresaka amin’ny mpitarika sendika ny minisitra sasany

Sample post image

Noraisin'ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka tao amin'ny biraony ny solotenan'ny Biraon'ny SYNPA na "SYNdicat du Personnel Administratif" notarihan'ny Filohany omaly.

01-sept-2021

 Notanterahana tamin'izany dinidinika ny mikasika ny fandaminana amin'ny ankapobeny ny asa sy ny anjara birikin'ny tsirairay amin'ny fampandehanana ny Ministera, hoy ny fampitam-baovao. Tao anatin'izay dia nihaino ny fitarainan'ny SYNPA ny Ministry ny fahasalamana ka nisy teboka maromaro nodinihina tamin'izany. Zava-dehibe tao anatin'izay ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fampiofanana mifanandrify amin'ny andraikitry ny tsirairay ho fampandehanana ny asa tandrify azy avy, hoy ny eo anivon’io Ministera io. Isan’ny nampiavaka ity Ministera ity ny resaka fitakiana sendikaly, ny resaka ara-bola sy tambin-karama tsy nilamina. Mandeha izany ny karazana fifandaminana sy fifampihainoana taorian’ny fiovan’ny minisitra. Saika manao izany avokoa ny sasantsasany amin’ireo minisitra vaovao. Miezaka mamitram-pihavanana amin’ireo sendika sy mpiasa eo anivon’ny departemanta iantsorohany. Isan’ny nanao izany ny Minisitry ny toekarena sy ny vola, izay nitsikera mafy ny resaka fitantanam-bolam-panjakana, saingy tratry ny ampamoaka goavana, ka nisy ny fifanantonana sy fandaminan-dresaka taorian’izay. Lojika ihany koa anefa amin’ny lafiny iray ny fihaonana sy fifanomezana toromarika eo amin’ny mpitondra sy ny entina, na ny tompon’andraikitra ambony sy ny eo ambany fiadidiany rehefa .
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap