airtel

Politique

17-juin-2022

Politique

Paolo Raholinarivo “Mandalo ny fahefana ka lanjalanjao ihany izay atao e!”

Sample post image

Nanaitra ny fanehoan-kevitr’Atoa Paolo Raholinarivo tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly momba ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM.

17-juin-2022

“Hay lasa fananan’ny tsy miankina (propriété privée) ny TVM sy ny RNM, rehefa olona tsy tian’ny tompony dia tsy mahazo miditra ao. Mandalo ange ny fahefana e, ka mba lanjalanjao ihany izay atao…”, hoy ity Filohan’ny Sendikan’ny Administratera sivily izay manana andraikitra ambony ao amin’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza ity omaly. Tsy fantatra mazava na ny tenany no voasivana tsy afaka hiteny sy hiseho ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana na olon-kafa, fa vao ny fiandohan’ny herinandro teo ny tenany no nanao fanambarana miezinezina amin’ny tsy tokony hitanilan’ny adminisitratera sivily manana andraikitra ambony amin’ny fanomezana fahazoan-dàlana hanao hetsika politika. Mety hifandraisany amin’ireny ve? Tsara ny manamarika fa ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina tarihin-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy no mpiahy mivantana ny TVM sy ny RNM. Baiko avy aminy ve izany ny fanaovana sivana? Tsara rahateo ny manamarika fa i Paolo Raholinarivo fa namana akaikin’i Mahery Lanto Manandafy izay sakay sy maso ary mpifanandrina mivantana amin-dRtoa Lalatiana Rakotondrafy. Mety misy ifandraisany ve ireo? Tsy vao izao no nisy ny sivana amin’ny fidirana ao amin’ny TVM sy RNM, indrindra fa ho an’ny mpanohitra. Na ny mpiara-dia amin’ny fitondrana aza anefa misy voasivana, toy ny depiote iray avy amin’ny IRD izay nisy fotoana voalaza fa tsy afa-niteny sy niseho tao. Maro no maneho na ireo mpiara-dia amin’ny fitondrana aza fa mitady ho lasa fananan’olon-tokana na antoko iray ny haino aman-jerim-panjakana, ary misy miketrika amin’ny kajikajy politika, ka na ny filoham-pirenena aza tokony hitandrina satria na ny volomboasary aza anjorom-bala kokoa noho ny an’ny antokon’ny minisitra.

Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap