nandritra ny diabe nataon'ny Collectif des candidats . Misy zavatra tsy mety, hoy izy satria tsy mitovy ny fitantanana ny zandary sy ny polisy.Nananao karazana ampamoaka i Paraina Auguste ka nilaza fa terena hividy ilay « gilet tactique » 80 000 ka hatramin’ny 100 000 Ar ny polisy. Mbola nampiany fa tsy niakatra ny karaman’ny polisy tato anatin’ny 5 taona kanefa alefa ianareo hamono vahoaka miaraka amin’ireo olona nahazo tombony ka mba mieritrereta, hoy izy. Tsy mila ady, tsy tia savorovoro ny collectif des candidats sy ireo mpara-dia aminy, tsy maka ho fahavalo ny mpitandro filaminana fa kosa miteny ny zavatra hita fa tsy mety sy tsy rariny. Famerimberin’ny vondron’ny kandida isak’izay toerana lalovan’izy ireo ny hoe avy amin’ny vahoaka ary tsy maintsy hiverina amin’ny vahoaka ihany ny mpitandro filaminana. Maro moa no manamarika hatramin'izay nisian'ity hetsiky ny vondron'ny kandida ity fa tsy dia hita misehoseho firy ny polisy fa ny zandary no tena hita etsy sy eroa, tamin'ireo toerana rehetra nandalovan'ny diabe.
Nangonin'i RTT
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby