antoko Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara na ny GFFM, raha ny nambarany. Tsy kilalao ny mitondra firenena hoy izy fa mitaky fahavononana sy fahasahiana ara-politika. Nivoitra izany omaly nandritra ny kongresy notanterahin’ity antoko ity teny amin’ny ISTS Mandriamena izay natrehin’ireo solontena mihoatra ny 1.000 isa manerana ny Nosy. Samy manana ny hetahetam-pony sy ny alahelo manoloana ny fitontongan’ny fiainam-pirenena avokoa ny ankamaroan’ireo mpikambana izay nandray fitenenana. Raha bangoina dia samy nanambara izy ireo fa mila fanavotana ny firenena fa tena latsaka anaty hantsan’ny fahantrana koa mila sy mitaky olona afaka hanafaka sy hanavotra azy amin’izany. Nanambara Pastera Mailhol nandritra izany fa vonona hatrany ny tenany handray ny andraikiny eto amin’ny tany sy ny firenena raha toa ka ilaina na hisy na tsy hisy fifidianana. Na izany aza anefa dia tsy namaly mivantana tamin’ireo mpikambana izy fa hilatsaka hofidiana na tsia. Miankina amin’ny zava-misy izany raha araka ny nambarany. Ny hirariana hoy izy dia hisy ny fifidianana ary fifidianana madio sy mangaraharaha ary marina no sady eken’ny rehetra. Mialohan’ny datin’ny 06 Septambra ho avy izao araka izany vao ho fantatra na ho kandida filoham-pirenena pastera Mailhol na tsia.
Pati
Legende : Ireo mpikambana eo anivon’ny GFFM nanatanteraka kongresy omaly teny Mandriamena Iavoloha !
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby