airtel

Politique

22-juin-2023

Politique

Patricia Raharisoamalala «Fananganana saina fotsy no enti-milaza fa mijaly izahay…»

Sample post image

Patricia Raharisoamalala «Fananganana saina fotsy no enti-milaza fa mijaly izahay…»

22-juin-2023

Tsy midika ho fanivaivana na tsy fitiavan-tanindrazana ka hanosihosy ny sainam-pirenena malagasy ny fananganana saina fotsy, hoy i Patricia Raharisoamalala, mpitarika fiarahamonim-pirenena saingy isan’ireo manangana saina fotsy anaty tambazotran-tserasera ankehitriny amin’ny maha olompirenena azy. Fotoana fananganan-tsaina izao, hoy izy, dia fomba iray entina hanehoana ny hevitra koa ilay izy hoe misy ny zavatra mangeja anay olompirenena eo amin’ny sehatra maro samihafa amin’ny fitantanana eto anivon’ny firenena na lafiny sosialy io fa indrindra ny tsy fandriampahalemana izay mavaivay ka tsy ahafahan’ny vahoaka mihary an-kalalahana. Midangana ny fiakaran’ny vidim-piainana. Tsy mahasehaka izany ny karaman’ny mpiasa. Eo koa ny fikorontanana maro samihafa na ny haratsian’ny lalana, ny ady tany, ny fanjakan’ny kolikoly. Misaraka 2 mazava tsara ny farim-piainan’ny olona eto Madagasikara. Ao ny manankarem-be izay milomano anaty harena miavosa. Misy kosa ny tena mahantra fadiranovana. Tia filaminana tsy miandrandra korontana intsony nefa ny ankabetsahan’ny olona. Io fananganana saina fotsy io izany no enti-milaza fa mijaly izahay olompirenena. Jereo ny fomba fitantanana eto amin’ny firenena! Tamin’ity taona ity aho no tsy nanangan-tsaina fa amin’ny 26 jona aho hanangana ary hivavaka ho an’ny fireneko. Vita izay dia miala ny saina. Ny sosokevitra dia hoe marina fa nisy ny fifidianana nanomezantsika fahefana ireo mpitondra. Izy ireo izany no manana ny hoe ity praograman’asa entina hitsaboana sy handaminana ny olana maro samihafa eto amin’ny firenena. Tsy tokony hanao tsinontsinona ny fanehoan-kevitra ireo tomponandraikitra rehetra sy voakasika eto amintsika. Voizina tsinona amin’izao ny hoe andao hifampiresaka sy hifampihaino ka tokony mba ho jeren’ny mpitondra izany izay azo raisina amin’ireny fitakiana mivaivay sy fanehoan-kevitra ireny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap