airtel

Politique

22-sept-2023

Patrick Raharimanana

“Kandida maromaro izahay no nifanaiky fa Tahina R. no mahafeno fepetra”

Sample post image

Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana

22-sept-2023

Filohan’ny antoko vitantsika amin’io fifdianana io, araka ny efa fisehoany sy fampahafantarana nataony. Izy izay tsiahivina fa efa kandida filoham-pirenena tamin’ny 2013. Nisy kosa ny fanazavana nentiny fa kandida maromaro no nifandinika , natsangana ny Firaisankinan’ny tia Tanindrazana na FTT, ary rehefa nojerena ny mason-tsivana dia hita hoe aleo ny mpampianatra izay manana traikefa amin’ny resaka nomerika no ho tohanana amin’ny fifidianana. “Nifandresy lahatra dia niara-nanaiky fa Tahina Razafinjoelina no mahafeno ny fepetra koa dia hampandany azy izahay”,hoy i Patrick Raharimanana, izay anisan’ireo Malagasy manam-pahaizana amin’ny resaka informatika, tahaka an’i Tahina Razafinjoelina ihany koa. Nambarany fa mitovitovy ny vina : zava-dehibe io hoe Madagasikara nomerika io, ahafahana mandresy ny halavirana, mandresy ny kolikoly . Tsy maintsy ny olombelona aloha no isaina voalohany. Tsy Madagasikara nomerika fotsiny fa mifototra amin’ny resaka fampianarana, ampianarina ny Malagasy ny momba azy ary apetraka ny hoe ny Malagasy aloha mba ahafahana mitondra fampandrosoana eny ifotony. Ny eny ifotony no manapa-kevitra amin’ny fampandrosoana maha mety azy, hoy i Patrick Raharimanana. Manentana hatrany ny olom-pirenena izahay ato amin’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana hoe andao isika hiaraka satria ny fiaraha-mientana no hahafahana mampandroso an’ity firenena ity, hoy izy.
VINA
Somary nanazava kely izy ny amin’ny hoe ao anatin’ilay vina ny eritreritra ho an’ny isan-tokantrano asiana herinaratra azo avy amin’ny masoandro, ny jirama amin’izay hamokatra angovo amin’ny alalan’ny rano, mora kokoa, ary hampandrosoana ny indostria. Eo ihany koa ny fambolena , azo ampiarahana tsara amin’ny nomerika amin’ny resaka paikady, fanitarana, teknikam-pamokarana, fanangonam-bokatra,... Tena ilaina io nomerika io, hoy izy. Misy Tanora matetika miteny hoe mitovy ihany ny zavatra ataon’ireo mpanao politika sy kandida ireo, tsotra ny hafatra avy amin’i zoky Patrick: fa maninona moa no mahaleo politika antsika? Satria misy foana ny halabato sy ny hosoka. Aleo isika mijoro sy mampiasa ny nomerika mba hanarah-maso ny voka-pifidianana. Azo atao tsara ny fanamby hoe ao anatin’ny 48 ora mivoaka ny voka-pifidianana, hoy i Patrick Raharimanana . Inona moa no tsy hampiasaintsika finday hakana sary ny voka-pifidianana dia atao ny kajy rehefa avy eo ? Tsy misy afaka miteny zavatra hafa intsony avy eo satria efa ilay vokatra avy eny ifotony isaky ny birao fandantsaham-bato no hita amin’ny sary. Izay ilay maha zava-dehibe ny nomerika amin’ny fiainana sy ny fiainam-pirenena.
RTT
 

Dans la même rubrique

06-déc-2023

Hanao diabe ao amin'ny Place Trocadéro Paris, Frantsa ny sabotsy 9 desambra 2023

Card image cap
05-déc-2023

Hatramin’izao ny Federasionin’ny gadra politika na FEDEP dia mbola tsy manaiky ny maha filoham-pirenena

Card image cap
05-déc-2023

Raha nametra-pialana ny filoha Andry Rajoelina talohan’ny nilatsahan’ny ho filohan’ny repoblika

Card image cap
05-déc-2023

Mametraka foana ny antoko politika Marina, hoy ny filohany, Désiré Ranaivoson,

Card image cap
05-déc-2023

Ny 15 desambra izao no hifarana ny fotoam-pivoriana ho an’ny solombavambahoaka.

Card image cap
05-déc-2023

Fanorolahy Antoko politika miezaka mijery hatrany ny tombontsoam-bahoaka ny antoko Fanorolahy,

Card image cap