airtel

Politique

02-août-2021

Politique

Patrick Raharimanana “Misy fivakisana amin’ny Filoha sy ny Katolika matoa…”

Sample post image

Nandritra ny fivahinianany tao amin’ny Fahitalavitra Real TV Madagascar no nanehoan’i Patrick Raharimanana hevitra momba ny raharaham-pirenena,

02-août-2021

indrindra fa ny toe-javatra mafana dia ilay resaka famonoana ny Filoha. Raha tena Katolika marina araka ny filazany ny Filoha Andry Rajoelina, dia tokony nifanatona sy nifampiresaka mivantana tamin’ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, mialohan’ny nandefasany ny Lehiben’ny Fampanoavana hanao fakana am-bavany an’ity Arsevekan’Antananarivo ity. Tsy mino aho hoe andeha hiditra amin'izany resaka vono olona izany ny Arseveka fa manana fomba hafa izy ahafahany manongana raha tiany atao izany. Toriteny milaza fotsiny hoe: Ianao Atoa Rajoelina izay Katolika, kanefa eto amin’ny tany sy ny Fanjakana izay entinareo dia mbola feno kolikoly, tonga dia mirodana izy, hoy ny fanehoan-kevitr’Atoa Patrick Raharimanana. Raha Katolika ny filoha dia misy fivakisana izany eo aminy sy ny fiangonana matoa miseho izao, nefa raha ny zavatra hita dia toa tsy tena katolika izy fa toa mody Katolika mba ahazoana ny fon'ny mpino satria ny zanany aza tsy natao "confirmation" tamin’ny fomba katolika. Misy diosezy eto Antananarivo, ka tsy midika hoe miaraka amin'ny filoha akory ny katolika na andeha isan'andro eny amin'ny Mompera Pedro aza izy, ka maro be ny loza mety hisy raha manangana ady amin'ny Vatican ny fanjakana Malagasy. Misy ilay hafatra hoe: mankahery anao ny Papa, izay midika fa mahalala ny zava-misy izany ny Papa, ary miendrika fampitandreman’ny Katolika ny Fanjakana Rajoelina hoe aza kitikitihinareo ny arsevekanay ny fomba firesakara ara-diplaomatika nataon’ny kardinaly, hoy i Patrick Raharimanana.
TOMBOTSOA IRAISAIN’NY FRANTSAY SY AMERIKANINA IO
Raha ny seraseran’ny Fanjakana, dia nisy firenena mpiara-miasa nahitana an’iny. Te hiteny izy hoe ny Amerikanina. Madagasikara izany kely mihoatra ny fifandraisan’ny Amerikanina sy ny Frantsay. Andeha hatao hoe tena nahita izany tokoa ny amerikanina. Isika bitika kely, ary na dia andeha hatao zava-doza ny famonoana ny Filoha, saingy tsy ny Amerikanina mihitsy no handeha hanontsana ny Frantsay amin’ny Malagasy, raha tsy nifampiresaka mialoha ireo. Amina miliara dolara ny tombotsoa ara-toekarena an’ireo firenena roa ireo.

ALAMINO NY RAHARAHA ANATINY RAHA TE HAHAVITA MANDAT! Notsipihin’I Patrick Raharimanana ny mahakasika ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana. Toa iniana aparitaka amin’ny fampahalalam-baovao akaiky ny fitondrana. Tsy mivoaka amin’izao, fa matoa mivoaka ilay izy dia olona manana dosie. Ny fanjakana ve ny manao « manipulation » an’ilay izy, kanefa ny hoe lasibatra eto dia ny filoham-pirenena? Amin’ny olona tsotra dia ambany be ny “côte de popularité”, dia mampiasa ny “politique de victimisation”, dia antsoina daholo izao rehetra izao hanao fanambarana hanameloka, raha ny fanehoan-kevitr’i Patrick Raharimanana. Nambarany fa Toliara sisa herin’ny Fitondrana kanefa io no anaovany izany. Vao mainka ho olana raha hitambatra ny atsimo sy avaratra. Resaka tsy fananan’izao fitondrana izao fahefana mipetraka intsony io. Raha te hahavita fe-potoana iasana io, dia mila mandamina ny raharaha anatiny. Raha tena misy ny hoe fikasana hamono dia fahadisoan-dàlana izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap