na pasipaoro fiasana, miloko maitso, hoy ny mpanao gazety, mpamakafaka, Patrick Raharimanana. Amin'ny maha asa na “service” azy, dia iraka ofisialy, misolotena ny firenena izy izany aloha vao ny sampan-draharaha misy azy, hoy izy. Mila fanomezan-dalana manokana na “Ordre de mission” voasonian'ny fiadidiana ny repoblika sy ny primatiora. Takiana arak'izany ny fanasana ofisialy avy amin'ny firenena ivahinianana na ireo anton-taratasy manamarina ny antony andehanana any. Takiana ny fananana tapakila fiondranana any. Omena ny mombamomba ilay mpiasam-panjakana. Tsy maintsy mandeha ao amin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny ilay mangataka “passeport de service” hakana ny sariny, ny peta-tondro maha biometrika ny pasipaoro maitso. Toy izao ny dosie ilaina; “Copie de l’Ordre de Mission” na dika mitovin’ny fahazoan-dalana manokana hamita iraka, “invitation nominative” na fanasana amin’ny anarana manokana, “décision ou note de présentation”, izany hoe fanapahana na naoty fampahafantarana, “Copie certifiée de la CIN” na dika-mitovy voamarinan’ny kara-panondro, “décrêt ou arrêté de nomination”, izany hoe didim-panjakana na didim-pitondrana nanendrena, “certificat administratif” na sertifikam-panjakana, “02 photos d’identité” na sary tapaka miisa 2. Ny sekretera jeneralin’ny ministeran'ny raharaha-bahiny no manao sonia ny pasipaoro maitso, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby