airtel

Politique

10-sept-2021

Politique

Paul Rabary “Efa misy olona fahatelo matanjaka any”

Sample post image

Miaina toe-draharaha mialoha fifidianana isika ankehitriny, hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary. Samy miatrika ny fifidianana 2023 ny rehetra, hoy izy.

10-sept-2021

 Miezaka amin’ny lafiny rehetra na ny mpanohitra na ny mpitondra miomana. Tsy miady an-trano ny mpitondra fa misy fifaninanana henjana be ao. Raha ny tokony ho izy tsy afaka hilatsaka intsony ny filohan’ny repoblika aorian’ny 2028.Izany hoe vao ho lany izy ny taona 2023 dia mila olona vaovao zareo ho eo amin’ny fitondrana amin’ny 5 taona manaraka. Izay io adihevitra be io. Mifaninana anatiny izy ireo hoe iza no handimby ny filoha ankehitriny raha lany amin’ny fe-potoam-piasana faharoa izy satria tsy afaka hanao fahatelo? Heritreretina foana ny resaka fampandrosoana fa ny politika koa dia fifaninanan’ny olona ao anatiny. Tadidio tsara fa ny olona mpifaninana voalohany ao anatina antoko iray dia tsy ivelan’ny trano akory fa ny ao anaty trano. Tsara ho an’ny demokrasia izany. Toy izany koa io “Miara manonja” anankiroa ao amin’ny mpanohitra io. Misy mieritreritra ao fa tsy ho lany intsony ny filoha Ravalomanana. Faharoa hoe na lany eo aza izy dia tsy afaka hanao fe-potoana faharoa fa io no farany dia misintaka koa noho izany ny sasany. Anaty lojika politika ny aorian’ny filoha Rajoelina sy Ravalomanana. Efa samy mitady lalana daholo ankehitriny ireo hitsinjovana ilay 5 taona manaraka. Tsy ny fifidianana 2023 izany no mahatonga izao zava-miseho izao fa ny 2028. Ny amin’ny taona 2028 izany dia tsy izy mirahalahy intsony no hifanehitra. Izao aza milaza anareo fa misy olona fahatelo matanjaka hipoitra amin’ny ora tsy ampoizina izay efa hitakitako moa saingy tsy afaka hiteny aho hoe iza na iza fa ny hita aloha dia efa mihetsiketsika sy manao asa lalina na “travaille de fond” io olona io ary matoa mizara roa io “Miara-manonja” io dia kandida matanjaka io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap