Eo ny fiomankomanan’ny antoko politika samihafa hiatrika fifidianana fa eo koa ny fiomanana hiatrika fitantanana raha sendra misy fifanarahana politika tampoka, hoy ny filohan’izy ireo, Paul Rabary. Ny fanjakana sy ny CENI no mamaritra ny fifidianana ka tsy afaka hiteny isika androany fa tsy hisy ny fifidianana. Raha ny lojika sy ny lalàmpanorenana dia tokony hisy ny fifidianana. Tsy dia maha taitra ny rivotra politika satria misy antoko tsy afaka hiditra anaty fitondram-panjakana raha tsy amin’ny alalana fifanarahana politika. Samy mametraka ny teti-panorona rehetra ahafahana miatrika ny fe-potoam-pitondrana manaraka hatrany amin’ny 2028. Io faran’ny taona 2023 io izany no mamaritra an’izay ka arakaraky ny hanakaikezantsika an’io dia hafampana ny toe-draharaha, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby