tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Paul Rabary “Mirefarefa amin’ny tany loatra ny fanaovana politika eto”

Manahirana ny fanaovana politika eto Madagasikara satria be loatra ny fanatika, hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary.

25-oct-2022

Sample post image

Misy koa ny mahay serasera dia izay tiany ho henon’ny olona ihany no avoitrany, hoy izy. Mirefarefa amin’ny tany loatra ny fanaovana politika eto ka tsy hifaninana ao anatin’izany aho na dia nirotsaka filohan’ny repoblika aza. Nanantena aho mba ho diso 100% ny zavatra noteneniko satria raha izay no zava-nisy dia efa ela no tsy toy izao intsony ny fiainantsika. Tsy ho olona mitady seza mihitsy no hiteny ireny zavatra teneniko ireny. Sarotsarotra ho an’olona mitady seza no hiteny hoe tokony ho foanana ny vatsim-pianarana na “bourse” ho an’ny oniversitem-panjakana, ohatra. Tsy famakafakana natao hamalifaly ny atsy na ny aroa ny famakafakako fa hampahafantatra ny zavatra misy marina. Iriako ho diso daholo aza ny zavatra teneniko. Bokan-trosa i Madagasikara. Lavapiringa aza eto, hoy ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa, ilana famatsiam-bola. 70%n’ny vola miasa eto famatsiam-bola. Izany toe-javatra izany ve no mbola antony tsy hiandaniantsika amin’iza na iza amin’io ady atsy Okrainina io? Ny an’ny tandrefana dia na miaraka aminy na tsia. Tsy handefa miaramila hakantsika ireo nosy manodidina ny Rosianina satria ny olany aza tsy hitany ny hanaovany azy. Izany no isany ilazako hoe tsaratsara kokoa ho antsika ny miaraka amin’ny tandrefana. Tsy vita iray andro ny politika sy diplaomasia fa miankina amin’ny tombontsoa na “intérêt” an’ny tsirairay io. Tsy maintsy misy ny sorona na “fusible” anaty fitantanana raharaham-pirenena ka rehefa tsy minisitra io dia na praiminisitra na filoham-pirenena nefa raha ireo roa farany ireo no mitranga dia miongana ianao no dikany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus