airtel

Politique

03-févr-2023

Politique

Paul Rabary “Vahaolana izao dieny izao no tadiavin’ny vahoaka”

Sample post image

Anaty fahasahiranana izao ny vahoaka malagasy, hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary, ka tsy olana aminy na iza na iza mitondra eo.

03-févr-2023

Ny fahasahiranany no olany, hoy izy. Izay olona afaka mamaha izay fahasahiranam-bahoaka izay no tadiaviny. Tsy resaka hoe halako bika tsy tiako tarehy io fa hoe iza no afaka mamaha ny olan’ny fiainany. Tsy takatry ny sainy akory hoe ahoana no hahatafavoahany amin’ny fahantrana? Lavitra be ho azy izany. Ny fiainany, ny zanany mianatra, ny sakafony, ny asany no olany isan’andro sy hieritreretany ny tontolo manodidina azy. Rehefa tonga ny propagandy na hisafidy ny olona, ary isika izao efa “précampagne” na fiomanana mialohan’ny fifidianana, dia mbola ambanimbanin’izay aza no tadiavin’ny vahoaka. Vahaolana izao dieny izao no tadiavin’ny vahoaka. Hitako izany tamin’izaho nilatsaka ho filoham-pirenena. Ilay vahaolana izao dieny izao dia hoe izahay mahavita mivarotra nofinofy. Izahay mahavita mizarazara sy manolotolotra. Aza miheritreritra ianareo hoe sahirana ny vahoaka androany dia hiandry fifidianana dia hitsara ny mpitondra. Raha tonga saina ilay mpitondra hoe sahirana ny vahoaka dia arahaba soa, arahaba tsara raha mamaha an’izay izy, fa tsy mbola nisy vahoaka nitsara mpitondra tamin’ny alalan’ny fifidianana izany teto fa saika izay nahazo vato betsaka teto Antananarivo foana no nisarika ny vahoaka hitsara ny mpitondra teo amin’ny 13 may ary raha mbola izao foana no zava-misy dia tsy ho tapitra mihitsy izay fomba fanao na “pratique” izay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap