airtel

Politique

12-nov-2021

Politique

Paul Rabary “Very izay tsy mitondra amin’ny 2023”

Sample post image

Na ho an’ny mpanohitra na mpanohana fitondrana io satria mihazakazaka be, hoy izy. Fifidianana hahafahana mamarana tanteraka ny krizy 2009 io.

12-nov-2021

 Izay tsy tafavoaka amin’ny taona 2023 dia ho tapi-dalan-kaleha amin’ny resaka politika. Tsy nivadika ho krizy politika ny krizy ekonomika sy sosialy. Ny dikan’izay dia voafehin’ny fitondram-panjakana iny lafiny iny hatreto. Ny resaka hoe famadihana ho sehatra tsy miankina ny orinasam-panjakana dia hitako hoe tokony mbola tohizana satria tsy anjaran’ny fanjakana ny mitantana orinasa. Ny mpandraharaha no afaka mandraharaha fa raha vao ny fanjakana no mandraharaha dia sady tsy misy tompony io no tompony daholo ny rehetra dia manjary mitotongana toa an’io Air Madagascar io. Iarahantsika mahita ny fitantanana ny raharaham-pirenena ka ny vahoaka ihany no afaka mandidy sy manapaka ny amin’ny hoe iza no tokony hitondra? Hanome fotoam-piasana ho an’ny mpitondra ankehitriny ve izy sa ho ana mpitondra hafa? Very eo amin’ny sehatra politika izay tsy mitondra amin’ny 2023. Mbola resaka hafa mihitsy ny vahaolana maharitra eto amin’ny firenena fa ny tsy fisiana krizy politika aloha dia efa isan’ny lalana mankany amin’ny fampandrosoana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap