ka ny andaniny miantso ny hisian’ny fikaonandoham-pirenena sy fanadiovana ny kianja politika mialohan’ny fiatrehana ny fifidianana, raha toa ka mamaly kosa ny ankilany, fa tsy misy krizy eto ka ilàna fikaonan-doha politika. Ireo olobe sy rafitra heverina ho to teny eto amin’ny firenena na «autorités morales» etsy ankilany, dia tsikaritra ho mirona kokoa amin’ny hisian’ny fifandaminana sy fifampiresahana mba hisorohana ny krizy, na amin’ny endrika mivantana io na ankolaka. Isan’ny tsikaritra tamin’izany ny FFKM, ny CFM na Filankevitry ny fampihavanana Malagasy izay efa tapitra moa ny fe-potoana iasan’ny mpikambana, ny rafitra misahana ny fampanjakana ny demokrasia sy Fanjakana tan-dalàna,… eny fa na ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena aza dia efa namoaka mivantana fa ilàna fanatsarana ny lalàna mifehy ny fifidianana. Tsy te hahala ny Fanjakana Rajoelina, kanefa ny endri-javatra tahaka izao no antom-pisian’ny raharaha depiote 73 tamin’ny taona 2018, izay niafara teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, naharava ny governemanta rehefa nahatsapa fa nihanalemy tanteraka ny Fanjakana Rajaonarimampianina. Na dia tsy misy lalàna mazava manamarina ny maha mari-pototra ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana notarihin’Atoa Jean Eric Rakotoarisoa tamin’izany aza, dia nanaiky handrava ny governemantany sy nanaiky ny fiaraha-mitantana ny Filoha izay voafidy ara-demokratika, fa raha tsy izany mety niafara tamin’ny rombo. Ankehitriny, efa maneho tsimoramora ny mpanohitra fa hiditra amin’ny fikaonandoham-pirenena tsy misy resaka fizaran-tseza, raha raisina amin’ny fanehoan-kevitry ny polisianina iray omaly tao amin’ny onjam-peo Top Radio FM 102.8FM. Ny fehin-kevitra no mety hatolotra ny mpitondra rehefa tsy handray anjara, ka miankina aminy na hanatanteraka na tsia, ary ny vahoaka no ho tompon’ny teny farany raha toa ka hanao tosi-bohon-tànana amin’izany ny mpitondra. «Fitia mivaly fitia, barofo mivaly barofo », hoy ny feehezan-tenny somary nanaitra, izay midika zavatra maro. Raha toa ka tsy hadio ny kianja politika, izany hoe: ny fitsipi-dalao politika mikasika ny fifidianana, dia ahiana ho vavahady hidirana amin’ny krizy politika indray ny fifidianana 2023. Hihamafy ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika, ahiana hiafara eny an-dalambe noho ny ahiahy maro tsy hihavanana. Misy ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena toa mandrisika ny mpanao politika ankehitriny hoe: vato nitorahan’ny mpitondra ankehitriny tamin’ny 2009 sy 2013 ary 2018 no havereno aminy, saingy miezaka miala amin’izany aloha ny mpanohitra ankehitriny. Ny andaniny anefa miziriziry, mandrangaranga hery, hanao barofo hihazona ny fahefana amin’ny heriny rehetra. Hijanonana amin’izay ve ny ho endriky ny politika eto amin’ny firenena ka hanaiky mora fotsiny sa sanatria ho tonga amin’ilay barofo mivaly barofo tokoa? Tsy misy maniry ny hisian’ny korontana sy sakoroka ka hidirana amin’ny krizy vaovao, saingy tsy tokony hampiasaina hamendrofendroana sy hatao fitaovana hampanekena ny Malagasy ny famotehana firenena ihany koa ny hoe: tsy ilaina intsony ny krizy. Ny fitantanana tsy manjary mampahantra vahoaka dia efa naman’ny fambolena krizy sy fahantrana lalina !
Toky R
Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.
Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,
Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia
Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,
Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.
Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,