airtel

Politique

23-janv-2024

Politika Afrikanina

Mitohy ny leson-dratsy…

Sample post image

Mitohy ny leson-dratsy ary toa ifakana tahaka ny fibodoam-pahefana aty Afrika.

23-janv-2024

Firenena 3 no vao avy niatrika fifidianana, ary mitovitovy ny sary mitranga. Nisantatra izany i Madagasikara, izay tao anatin’ny lonilony sy savorovoro miampy herisetra, saingy nentina tamin’ny amboletra. Lany fihodinana voalohany ny kandidam-panjakana dia ny Filoha teo am-perinasa Andry Rajoelina, saingy fifidianana tsy taratry ny demokrasia satria tsy nandray anjara ny kandida maro an’isa, ny 8,2 tapitrisa mahery tamin’ny mpifidy 11 tapitrisa no tsy resy lahatra tamin’ilay kandida nambara fa lany tamin’ny salan’isa 58% mahery. Fahamarinan-toerana inona no ho vanona amin’izany ? Nilefitra teo anatrehan’ny fandrangarangana hery sy ra mandriaka ny rehetra. Nandeha ihany koa ny fifidianana tany RD Congo dia mitovitovy amin’izany ihany ny sary miseho, tafajanona eo amin’ny fahefana ny Filoha Felix Tshisekedi izay voalaza fa lany 73,34%. Nialohavana sakoroka ihany koa ny fifidianana tatsy Kaomoro, ary mitohy izany amin’izao taorian’ny famoahana valim-pifidianana fa lany tamin’ny isa 62,97% i Azali Assoumani. Nafana ny fidinana an-dalambe, famotehan-javatra, fanafihana tranom-panjakana sy mpitondra ambony ataon’ny olona,… raha toa ka mangotraka ihany koa ny hetsiky ny tafi-panjakana amin’ny fandravana hetsika tonga hatrany amin’ny fahafatesan’olona, fisamborana marobe,… Ny any Sénégal no misy fiavahany kely satria taorian’ny sakoroka dia nanaiky ny tsy ho kandida ny filoha am-perin’asa Macky Sall saingy karazan’ny efa mipetrapetraka ihany ny kajy hametrahany ny saribakoliny eo anatrehan’ny kajy nisakanana ny firotsahan’i Ousmane Sonko ilay tanora mpitarika isan’ny malaza sy be mpanohana sy i Karim Wade zanaky ny Filoha teo aloha Abdoulaye Wade, izay mety hiteraka sakoroka ihany koa. Ampahany ireo, fa mitohy ny sary ratsy aty Afrika. Manao randran-tarihina ary mbola tsy afaka amin’ny Afrikanina ny politika fibodoan-toerana sy fahefana. Nalaza tany aloha ry Robert Mugabe tany Zimbawe izay nahatratra 34 taona, kanefa niongana tao anatin’ny sakoroka. Nahavita niorina teo amin’ny fahefana nandritra ny 42 taona i Muammar Kadhafi tao Lybie (1969-2011) saingy niongana ary novonoina na dia azo lazaina ho nilamina aza ny fari-piainan’ny Libianina. Nirodana tao anatin’ny « printemps-Arabe » ry Housnie Moubraka tany Egypte rehefa nitondra 30 taona (1981-2011), tahaka izany ihany koa i Zine El Abidine Ben Ali tany Tonizia rehefa nifikitra teo 23 taona (1987-2011), voatery nandao ny fahefana ihany koa i Abdeleziz Bouteflika tany Algerie rehefa nitondra 20 taona (1999-2019),… Raha ny teto amintsika moa, naharitra indrindra ny filoha Filoha Amiraly Didier Ratsiraka izay niaraha-nahalala ny niafarany tamin’ny raharaham-pifidianana 2001-2002. Midika ireny fa misy fetrany ihany io hery sy fahefana io ! Hatao takalon’aina amin’ny fitiavan-tseza sy fahefana foana ny Firenena Afrikanina maro ka miainga any amin’ny aotra hatrany rehefa feno ny kapoaka ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap