airtel

Politique

20-mai-2022

Politique

Politika Ataon-dRavalo manonofy ratsy ny mpitondra

Sample post image

Manahiran-tsaina tanteraka sy tena mampanofy ratsy ny Fanjakana ankehitriny Atoa Marc Ravalomanana, izay atahorana mafy ara-politika. Arakaraka ny hihetraketrahana azy no toa vao mainka mampahazo vahana azy.

20-mai-2022

Ny fanakanana ny hetsika samihafa ataon’ny Antoko TIM tahaka ny niseho tany Antsiranana, Soavinandriana,… ankoatra ireo maro tsy voatanisa tany aloha, dia maneho fa atahoran’ny Fanjakana Rajoelina mafy ity Filoha teo aloha ity amin’ny fifidianana Filoham-pirenena manaraka. Raha ny kabariny sy ny fihetsiny, dia toa maneho fa mbola ho avy indray i Marc Ravalomanana amin’ny angady sy ny harona amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo. Izay aleha rakotra vahoaka na tsy misy fampiomanana firy sy artista malaza aza tahaka ny tany Alaotra, Soavinandriana,… Tany Anjozorobe omaly izay rakotra vahoaka. “Efa tena mitaraina mihitsy ny olom-pirenena fa tsy mahita hanin-koanina. Mitomany amin’ny tsy fandriampahalemana ny tantsaha, sarotra ny fivezivezena sy ny famoahana ny vokatra fa tsy misy ny fikojakojana ny lalana. Tsy mianatra ny mpianatra,… Aza kivy, ary aza matahotra fa misy fotoanany ny zava-drehetra. Manàna fanantenana hatrany! Aza adino ny mivavaka mba handresy ny Fahamarinana”, hoy i Marc Ravalomanana omaly tany Anjozorobe. Mampiakatra ny lazany ny hetraketraka atao aminy, fa eo ihany koa ny fahatsapana sy fahatsiarovana fa nametraka zavatra betsaka teto amin’ny firenena izany Marc Ravalomanana izany. Toa tonga amin’ilay hoe : izay reraka na ny fifidianana na i Marc Ravalomanana. Na tiana na tsy tiana, ny Fitondrana Ravalomanana aloha no nanana vina sy programa azo lazaina ho akaiky sy mifanaraka kokoa amin’ny filàn’ny vahoaka Malagasy. Nijery kokoa ny tontolo ambanivohitra, famokarana, làlana, indostria, fampianarana,… Tao anatin’ilay horonantsary “The return of a president” mitantara ny ampahan’ny fiainany indrindra ny raharaha 2009 no nanehoany, fa isan’ny nampiongana azy ny fitodihany bebe kokoa amin’ny fampandrosoana fa tsy nanao tahaka ny sasany miantehitra amin’ny tafika, ka ny 40% amin’ny tetibolam-panjakana halefa any amin’ny miaramila. Tsaron’ny olona ireny, ka na eo aza ny fanabadoana vahoaka amin’ny fizarana sy fanambazan-javatra amin’ny propagandy, manomboka efa maro no mahatsapa fa tsy mahasoa ary vao mainka mamotika firenena ny manaiky hovidiana amin’ny vary iray na roa kilao sy vola iray na roa alina, fa miverina mahantra fadiranovana ihany avy eo.

TIAM-BAHOAKA FA HALAN’NY MATRETREHA
Raha voahaja ny lojika politika, mbola ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina sy Atoa Marc Ravalomanana no heverina ho mpifanandrina matanjaka roa voalohany amin’ny fifidianana manaraka eo. 500 000 teo ho eo ny elanelam-bato tamin’ny fifidianana farany. Tsy hiakatra mihitsy ny 2 500 000 teo ho eo azon-dRajoelina, fa vao mainka hidina raha tena fifidianana madio. Eo ny sasany mivoy fa mila olom-baovao, fa tsy ho ireo roa ireo hatrany, saingy hatreto aloha tsy hita taratra hoe: iza no olom-baovao afaka ny hifandrefy amin’ireo? Manana herijika lehibe hatrany i Marc Ravalomanana, raha mahavita mandingana ireo sakantsakana samihafa satria tena misy vondron’olona vahiny sy Malagasy tsy faly ny mety hahatafaverenany amin’ny fitondrana ary hanatontona vola tsy toko tsy forohana hisakanana an’izany. Tiam-bahoaka fa halan’ireo matretreha sasany mpifehy ny toekarena sy mpangoron-karena eto.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap