airtel

Politique

11-janv-2023

Politique

Politika avo lenta Manomboka ahilikilika ny filohan'ny "Sénat" ?

Sample post image

Fito volana sisa hijanonan’ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny toerana maha Filoham-pirenena azy raha toa ka mbola isan’ny ho kandida Filoham-pirenena manaraka eo izy.

11-janv-2023

Raha voahaja ny tetiandro, any ho any amin’ny volana septambra 2023 izy no mametra-pialana. Voafaritry ny andininy faha-46 ao anatin’ny lalàmpanorenana mantsy, fa tsy maintsy miala 60 andro mialohan’ny fifidianana ny filoha am-perin’asa raha mbola ho kandida, ary ny Filohan’ny Antenimierandoholona no misolo toerana azy mandra-pahavitan’ny fihanianan’ny Filoham-pirenena izay voafidy. Inoana 90% fa mbola ho kandida I Andry Rajoelina. Iza no hisolo azy? Ho voatazona amin’ny toerany ve ny Filohan’ny Antenimierandoholona ankehitriny Atoa Herimanana Razafimahefa sa hiverina ny sary tamin’ny andron’ny HVM izay nanalana an’Atoa Honoré Rakotomanana sy nametrahana an’Atoa Rivo Rakotovao tamin’izany toerana izany? Tsara rahateo no manamarika fa tsy avy amin’ny TGV ny Filohan’ny Antenimierandoholona ankehitriny fa avy amin’ny Grade Iloafo. Mandeha ny feo any any anaty Etamazaoro politikan’ny Fitondrana fa mety hoesorina ity Filohana andrim-panjakana ity. Misy toa tsy mahatoky azy ao anatin’ny Fitondrana noho ilay fanehoan-kevitra tany amin’ny taona amin’ny taona 2022 izay naneho fa ilaina ny fifampiresahana satria mandalo krizy ny firenena. Stratejika be ho an’ny Antokon’ny mpitondra ankehitriny ny olona izay hisolo vonjimaika ny Filoha ka tsy mahatoky azy ve ny fitondrana raha toa ka hisy ny vanim-potoana tena mangotraka mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana noho iny fanehoan-keviny iny izay heverina fa mitombina ihany? Niteraka resabe ihany koa ny ampahan-teniny tamin’ny fiandohan’ny taona 2023 teo, fa efa mipaka amin’ny isan-tokantrano ny fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy, izay toa nahazoany kiana mivaivay tamin’ny olom-pirenena. Ampy hoenti-manilika azy ve anefa ireny ary raha ho tonga amin’izany dia iza no hasolo ny toerany ?

FIFANDRIFIAN-JAVATRA VE ?
Nanaitra ny tatitra nataon’ny Filoha Lefitry ny Antenimierandoholona Atoa Nicolas Rabemananjara tao amin’ny Pejy facebook-ny ny 09 jolay teo nanao hoe: “Androany no fotoana nanatanterahan'ny loholona sy ny solombavambahoaka ny fifampiarabana ny filoham-pirenena Atoa Andry Rajoelina tety amin'ny lapam-panjakana Iavoloha. Ny delegasion'ny loholona izay notarihin'ny Filoha Lefitry ny Antenimierandoholona Atoa Nicolas Rabemananjara…”. Tsy voaresaka tao amin’io ny Filohan’ny Antenimierandoholona fa tahaka ny hoe: ity farany no nitarika ny delegasionin’io Andrim-panjakana io teny Iavoloha. Ny tao anatin’ny fampahalalam-baovaon’ny fahitalavitra izay azy anefa nilaza fa ny Filohan’ny Antenimierandoholona Herimanana Razafimahefa sy ny Filoha lefitra avy amin’ny tapany Atsimo no nitarika ny delegasionina. Nanaitra ihany koa ny tsy nahitana mihitsy ny sarin’Atoa Herimanana Razafimahefa tao anatin’ilay fampahalalam-baovao nandritra io fotoana io ka asa na fifandrifian-javatra ihany ve sa misy antony hafa? Tsy dia tazana tamin’ny sary niraisan’ireo loholona ihany koa, fa tao anatin’ilay niraisan’ny besinimaro nilahatra tamin-dRtoa Christine Razanamahasoa sy Atoa Norbert Lala Ratsirahonana ihany no toa nahitana azy, raha ny sary ofisialy hita. Efa endrika fanilihana ve no miseho ka Atoa Nicolas Rabemananjara no mety hakarina ho Filohan’ny Antenimierandoholona tahaka ny natao an’Atoa Rivo Rakotovao tamin’ny 2018? Misy ihany koa anefa ny feo mivoaka avy any anaty Fanjakana, fa Atoa Pierre Houlder izay efa avy Minisitry ny atitany, ary minisitry ny Fanajariana ny tany ankehitriny no mety halefa etsy Anosikely. Andrasana noho izany izay hiseho na ho voatazona hatramin’ny farany ihany Atoa Herimanana Razafimahefa na hosoloina tokoa.

Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap