na teo aza ny fanambaran’ny Filohan’ny Antenimierampirenena ny Rtoa Christine Razanamahasoa ny 16 desambra teo nandritra ny famaranana ny fivorian’ny Antenimiera izay natrehin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, fa ny hisavorovoroan-kilatoana, ary tokony hakana lesona ireny. Nisy tato aoriana ny resaka niparitaka izay tsy voatery ho marina kanefa tsy azo hamaivanina ho diso, nilaza fa nahazo tsodrano tamin’ny Filoham-pirenena iny, saingy izay indray avy eo no nanome toromarika hoe: atsaharo. Tsy nisy ny fanamarinana na fandisoana izany, fa ny niseho dia natsefotra ilay fitsipahana. Nitohy ny karazana fifanaovana ampamoaka teo amin’ny Antenimierampirenena, nivadika ho raharaha fikasana hanongana ny birao maharitra, nisy resaka fitantanana ara-bola, izay namelezana ny Kestora voalohany, ary nambara fa tsy afa-miala amin’izao ny Filohan’ny Antenimierampirenena. Misy resaka mivoaka ihany koa anefa ankehitriny, fa misy hidiran’ny resa-pihaviana ity raharaha fitsipaham-pitokisana ity ka voatonontonona amin’izany ny Lehiben’I Tsimbazaza, ary misy olobe ao anatin’ny governemanta voalaza fa tsara toerana ho Praiminisitra, raha niongana Atoa Ntsay Christian tao anatin’ny fikotrehana. Tany aloha, efa nisy ny resaka nihaolohaolo, fa mety hiova ho manamboninahitra begalona ny Praiminisitra mba hifehezana kokoa ny raharaham-pifidianana 2023, saingy tsy nety tanteraka. Raha nahomby tokoa ny fitsipaham-pitokisana, iza amin’ireo olona manodidina ny Filoham-pirenena marina ary no tsara toerana amin’izany? Sarotsarotra ny hoe: aty amin’ny faha-4 taona nitondrana, dia olom-baovao avy any ivelan’ny fitondrana, fa tsy miainga amin’ny manodidina eo aloha, ary hita taratra amin’ny fanomezana andraikitra ao anaty governemanta hoe: iza no mety ananan’ny Filoham-pirenena antoka sy ianteherany bebe kokoa amin’ny andraikitra ampisahaniny azy? Raha raisina amin’izany, misy tsy dia milamina loatra ihany koa ao anatin’ny governemanta, misy mifampitsiriritra toerana mety tonga tany amin’ny fifaminganana fa tsy tanteraka. Efa endrika mpiseho ao rahateo io raha tsy hilaza afatsy ny ady mangatsiaka sy fifamelezana mivantana na ankolaka teo amin’ny Minisitry ny serasera sy ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo. Misy ihany koa anefa no toa endrika fifampisalovanana andraikitra, raha ambaran’ireo mpandinika ara-politika, toy ny fahitana fa takona na takonan’ny Minisitry ny serasera ny Minisitry ny raharaham-bahiny mpisolo toerana amin’ireo dian’ny Filoha any ivelany,... Iny nanao fanambarana sy fanehoan-kevitra iny ny Minisitry ny fiarovana sady Minisitry ny raharaham-bahiny nilaza fa mijoro hatrany miaro ny safidim-bahoaka sy ny lalàmpanorenana ny Foloalindahy, izay toa manamafy sy maneho fa olona mahatokin’ny Filoha, ary any aminy ny fanalahidin’ny tafika, ary tsy tongatonga ho azy ihany koa no nisafidianana azy ho Minisitry ny raharaham-bahiny mpisolo toerana, na toa misy endrika fanakonana azy aza.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby