airtel

Politique

02-nov-2021

Politique

Politika, fifidianana Manelingelina ny ao an-dapa i Ratsirahonana

Sample post image

“Rehefa manao stratejia ianareo, dia aza atao ao intsony Ratsirahonana, fa somary halaviro kely (Ecarter-vo kely), fa sosotra ny Filoha tamin’ilay izy nisabakabaka tany Ambositra, tamin’ilay hoe:

02-nov-2021

 hatramin’izao izahay tsy fantatray ny hotohananay amin’ny 2023. Ianao ve birao politika miaraka amin’ny Filoham-pirenena ao an-dapa…”, hoy ny feo voalaza fa an-dRtoa Christine Razanamahasoa nanao tatitra momba ny toromarika politikan’ny Filoha Andry Rajoelina, manilika an’Atoa Norbert Lala Ratsirahonana. Toa manaporofo hatrany io fa marisarisa ny fifandran-dRajoelina sy Ratsirahonana. Raha tsiahivina dia nanambara ny filoha mpanorona ny Antoko AVI tamin’ny Ainga vao Ifotony izay notanterahin'ireo tany Ambositra 15-16 oktobra lasa teo fa hanao tombana na "évaluation" izy ireo ny mahakasika ity fitondrana ity rehefa tonga ny fotoana ny fifidianana, hanolotra programa ihany koa ho an'ireo kandida, ka rehefa tontosa izay rehetra izay vao hanapa-kevitra na mbola hanohana na tsia ny Fitondrana ankehitriny izy ireo amin’ny 2023. Izay fanehon-kevitra izay no hita fa tsy zakan'ireo ao an-dapa. Toa hita taratra arak'izany rehetra izany fa manelingelina ny fitondrana ny fanapahan-kevitra izay norasin'ity Antoko ity, izay maneho fa mijoro hatrany amin’ny foto-kevitra 3 lehibe dia ny : Fanjakana tsara tantana, ny demokrasia, ny tany tan-dalàna.. “Raha ny fazahoako azy tsy nankasitrahany ny nilazako fa mbola hanao “évaluation” izahay amin'ny 2023 alohan'ny hanapahan-kevitra hanohana azy. Inona no hevitry ny mpikambana raha mbola tsy mahazo minisitera ihany ny antoko? Aminay tena tsy rariny (injustice), tsy azonay ekena intsony izany”, hoy rahateo ny valin-kafatra.
TSY ANATY GOVERNEMANTA
Talohan’ny fanendrena mpikamban’ny governemanta ny 15 aogositra, dia nanome lisitra olona mba hotendrena ao anaty governemanta ny AVI. Ny 12 aogositra, niantso an’Atoa Norbert Lala Ratsirahonana ny Filoha fa hoe tena misy olona anaty lisitra nomen’ny Filohan’ny AVI tiany hatao minisitra, efa nilazana ilay olona handray fiaramanidina ilay olona, saingy voahilika, raha ny efa nambaran’Atoa Norbert Lala Ratsirahonana. Rehefa halalinina, toa leo ny AVI satria ampifilafilaina foana kanefa ankalazaina hoe manohana fitondrana. Manana minisitra ny Freedom; tafaverina anaty governemanta ny Antoko Maitso; lasa minisitra ny Filohan’ny and (Antoka sy Dinan’ny Nosy); mbola ao anaty governemanta ny Filohan’ny MMM (Malagasy Miara-Miainga) na nahena aza ny fahefan’Atoa Hajo Andrianainarivelo; Ambasadaoro any Chine ny Filohan’ny Antoko Avana Atoa Robinson Jean Louis,… Ny AVI kosa toa tsy anaty tabilao! Nahitsy nilaza fa misy fitavozavozana ny fitondrana, matoa miteny ny olona miteny dia betsaka ny “werawera” fa tsy araka ny tokony ho izy; ny kabary eo ihany fa ny Asa Vita no Ifampitsarana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap
30-avril-2024

Nandroso kabary tsara lahatra indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany amin’ny Fivoriamben’ny IDA

Card image cap
30-avril-2024

Tafapetraka ny mpikambana tsy maharitra ao amin'ny CENI ho an'ny kandidà laharana faha 6

Card image cap