airtel

Politique

10-juin-2021

Politique

Politika hafahafa Atosika hiady amin-dRavalomanana ve ny zandary ?

Sample post image

Na nisy aza ny fanambarana hentitra nataon’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny alatsinainy teo niantso

10-juin-2021

 

 

 

 ny hanatsaharana ny atsonjay sy ramatahora ataon’ ny fanjakana, nanao antso avo sy nampahafantatra ny zava-misy tamin’ny Fianakaviam-be iraisam-pirenena, dia mitohy ny andrimaso sy ny sakantsakana. Nosakanan’ ny zandary indray i Marc Ravalomanana omaly tetsy Ambohimangakely, raha avy tany Imerinkasinina tanindrazany. Raha ny loharanom-baovao voaray, dia tsy nisy sakana ny tetsy amin’ ny “Rond point” Ambohimangakely ny maraina, ary nizotra araka ny tokony ho izy ny fifamoivoizana. Vantany vao avy nandalo raha nihazo an’ Imerikasinina kosa ity filoha teo aloha ity dia nihamafy ny sakana raha vao hoe handalo eo indray i Marc Ravalomanana. Namoahana “herse” na ireny vy miranirany ireny mihitsy aza. Tokony tamin’ny 3 ora tolak’andro hamonjeny fodiana etsy Faravohitra ity filoha no raikitra ny fanakanana. Tratran’ ny tsy nampoizina anefa ireo zandary teny an-toerana satria dia nanatri-maso izany ny Masoivoho tafara-dàlana tamin’i Marc Ravalomanana. Nilefitra ny zandary rehefa nahatsikaritra fa misy fiara mitondra diplaomaty taorian’i Marc Ravalomanana. Nambaran’ ireo zandary indray avy eo fa sakana ara-pahasalamana no misy eo Ambohimangakely io, hoy ny fampitam-baovao. Raha ny fiomanana tetsy Ambohimangakely anefa dia mitovy amin’ny teny Talatan’I Volonondry ny herinandro teo. Ny 30 may lasa teo dia nanambara ny filoha Rajoelina, mikasika ireo fepetra ara-pahasalamana noho ny valanaretina COVID-19, fa misokatra ny lalana eto amin’ ny faritra Analamanga. Araka izany, “barrage sanitaire” inona indray no atao etsy Ambohimangakely? Mitohy hatrany kosa ny andrimaso ny tranon’ ny filoha Marc Ravalomanana etsy Faravaohitra, ka raha ny fanaony isan-andro dia miatrana hatramin’ ny 04 ora sy sasany hariva. Omaly anefa dia tamin’ny 3ora mahery izy ireo dia efa niala teny an-toerana, izay mety ho fitohizan-javatra mifanojo amin’ny teny Ambohimangakely.

TERENA HIADY AMIN-DRAVALO NY ZANDARY…

Ny alatsinainy teo no efa nilaza I Marc Ravalomanana, nahitsy i Marc Ravalomanana nilaza fa atao fitaovana fotsiny ilay zandary madinika mpandray baiko hanao fihantsiana sy fandranitana. Tsy lalàna izany, fa mila mamaky lalàna sy manaja lalàna sy ny lalàmpanorenana, hoy izy, izay nampahatsiahy ny sata maha filoha teo aloha azy sy ny zo ananany, izay voafaritry ny lalàna. Notondroiny ho mampiasa ny zandary handika lalàna ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria (SEG) Jeneraly Ravalomanana Richard hoenti-manakana ny fahalalany hivezivezy. Toa terena hiady amin’I Marc Ravalomanana izany ny zandary, ary ny Jeneraly Ravalomanana izay efa nanenjika ny Filoha teo aloha hatramin’ny tetezamita no tondroiny ho ao ambadika mampiasa ny zandarimariam-pirenena amin’ny tsy ara-drariny. Raha misy ny zavatra hifampiresahana, dia alefaso, fa tsy ireny zandary madinika ireny no terana, hoy ity Filoha ity. Tsara ny mampahatsiahy, fa I Marc Ravalomanana fony teo amin’ny fitondrana no nanendry zandary ho minisitry ny Fiarovam-pirenena tamin’ny alalan’Itompokolahy Jeneraly Mamizara Jules, saingy toa terena hiady aminy ny zandary ankehitriny.

 Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap