fa hisy ny fanafoanana na fanalefahan-ketra sy haba amin’ny ho an’ireo mpampiasa vola vonona hanafatra biby manintona tahaka ny girafe, zèbre, elefanta,… mba hampiroboroboana ny fizahantany. Nambara fa vonona sy manoka-baravarana amin’izany ny Fanjakana, ary mbola nohamafisiny ihany koa ny hananganana hotely kintana 5 anaty faritra arovana izay hiantsoany mpampiasa vola. Notsindriany hatrany fa te hahita girafe, zèbre, elefanta eto Madagasikara izy, ary manantena fa hahasintona mpizahatany an-tapitrisany ireo, ao anatin’ilay antsoina hoe : « tourisme de safari et d'aventures » ireo. Tsara kosa ny manamarika etsy ankilany, fa ny eto aza tsy voaaron’ny Fanjakana. Ny ragidro na « lémurien » izay voalohany mampiavaka an’i Madagasikara sy isan’ny tena mandrisika ny vahiny ho tonga aty, niaraha-nahalala fa manodidina ny 12 no ripaka matin’ny raboka vao tsy ela tao Tsimbazaza. Miha mitsipozipozy sy tsy voakarakara ny valanjavaboaharintsika ka sao ireo aloha no mila atao tsara karakara. Ny any amin’ny faritra arovana, maro no ripaky ny fihazana sy ny doro tanety.Ilaina ny biby vahiny hisintonana olona, saingy mila jerena ny ato anatiny izay ahiana ho lany tamingana. Raha hijery ireo karazam-biby vahiny tanisain-dRajoelina ireo no tena anton-dian’ny vazaha mpizahatany, dia tsy I Madagasikara mihitsy no ho laharana voalohan’ny safidiny fa ny firenena tena fihaviany. Any Kenya, Afrika atsimo, Namibie, Zimbabwe efa henjana be ary efa lasa lavitra ny resaka safari. Elefanta ve no hanintona azy kokoa noho ny ragidrontsika tsy hananan’ny hafa ka tokony hokarakaraina? Matoa ireny biby ireny tsy nataon’Andriamanitra teto dia misy antony ka asa hoe: mba nosaininy ihany ve izany sa dia efa mandeha ho azy tahaka ny hoe: asiantsika Miami tahaka ny any Etazonia eto amintsika, avy eo rehefa tsy tanteraka dia lalaovina any amin’ny voambolana. Tsy vao izao ity milaza hanafatra an’izao sy izao ity, hany ka ny fanafarana vary aza nisy fotoana nireharehana ho fampandrosoana satria ny eto nolazaina fa roa taona vao miakatra ny vary. Vao noresahana teo ihany koa fa hanafatra mpampianatra vahiny hampianatra ny tanora Malagasy. Ilaina ireny, saingy ny fanomezana lanja an’ilay hoe: hanafatra ho ambony ny zava-drehetra mihitsy no toa hafahafa.
Toky R
Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.
Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,
Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia
Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,
Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.
Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,