airtel

Politique

30-oct-2023

Politika mirefarefa amin’ny tany

Ohatrana tranga anaty fanaovan-gazety no anasana atidoha!

Sample post image

Ampamoaka goavana nampivarahontsana ny mpanara-baovao, andro maromaro lasa izay, ny filazan’ny filohan’ny

30-oct-2023

antenimieran-doholona teo aloha, Herimanana Razafimahefa, fa niharana fandrahonana izy ka antony nandavany ny toerana maha filoham-pirenena mpisolo toerana azy mandram-pahazo filoham-pirenena malagasy vaovao. Ny fahitalavitra iraisampirenena, France 24, sy ny onjapeo RFI, moa no nofidian’ity filohana andrim-panjakana teo aloha ity namoahana ny vaovao teo amin’ny mpiotifeon’ny mpanao gazety, Gaëlle Borgia. Taty aoriana dia nisy atrikasa na “journée d’étude” natrehin’ity mpanao gazety ity ary nizarany traikefa nanomezana ohatra ka nilazany fa “raha ohatra moa ka tsy marina ny filazan’ny filohan’ny antenimieran-doholona malagasy fa norahonana izy…”. Notohizan’ity mpanao gazety ity avy eo ny fanazavany ka nilazany hoe “mba azonareo an-tsaina ve fa diso daholo no nambaran’ny filohan’ny antenimieran-doholona…”. Ny dikan’izany, hoy ity mpanao gazety ity, dia mila miheritreritra foana ny mpanao gazety rehefa manao fanadihadiana hoe mety ho diso daholo ny ambaran’ny olona iray hanaovany fanadihadiana fa mety ny mifanohitra amin’izay no marina. Izay izany raha raisina amin’ny ankapobeny ny fizarana traikefa nataon’ity mpanao gazety ity tamin’io fotoana io kanefa dia niteraka resabe ny faran’ny herinandro teo izany ary nampiasain’ireo mpanohana ny fitondrana sasany sy mpanohana ny kandidam-panjakana ho karazana ampamoaka na “aveux” nataon’ity mpanao gazety frantsay ity. Ohatrana tranga anaty fanaovan-gazety nozaraina mpisehatra iray tanatina atrikasa, araka izany, no nampiasain’ny mpisehatra politika sasany eto Madagasikara anasana atidoha ny olompirenena malagasy mba hanaradia ny firehan’izy ireo. Heverina angamba fa izany no tena atao hoe politika mirefarefa amin’ny tany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap