airtel

Politique

02-nov-2021

Politique

Politika Mitaky ny hanamboarana ny lalàm-pifidianana ny TIM

Sample post image

Tsy nihambahamba i Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny Tiako i Madagasikara (TIM) naneho ny sabotsy 30 oktobra teo tao Toamasina,

02-nov-2021

 fa tsy ho mahaleo tena ny CENI (Commission Electorale Nationale Indépendente) amin’io endriny sy fombafomba fandrafetana azy io. Tapitra ny fe-potoana hiasany, 2015-020 tamin’ny 19 oktobra 2015 izay nametrahana azy, dia samy miandry sy manantena an’izany CENI mahaleo tena izany. Tsy eo anefa ilay hoe “indépendante” na mahelo tena, hoy ny Filoha teo aloha. Ny Filohan’ny Repoblika amin’izao, dia mino aho fa mbola hirotsaka, manana zo hanendry olona eo amin’ny CENI anefa, samy zareo ihany,… Ny antenimierandoholona mifidy olona iray kanefa azy ao amin’ny fitondrana 100%, ny antenimieram-pirenena dia hifidy olona iray ihany koa ao amin’ny CENI, ny HCC ilay hoe azo raisina fa tsy mitombina,... Izy ihany koa dia mbola manana zo hifidy. Mbola manana zo hifidy olona iray, ka mino isika fa mbola ho olon’izy ireo. Raha jerena, dia mirona amin’ny maha tsy mahaleo tena azy. Ny ao amin’ny mpitsara ihany koa dia manana zo hanolotra olona iray, resabe tamin’ny herinandro efa misy olona lany dia hoe haverina. Noho izany, niantso ny herivelona rehetra mba samy hieritreritra I Marc Ravalomanana, fa tsy mahaleo tena ny CENI hitsangana eo. Raha tiana ny hananantsika fifidianana malalaka azo antoka ny vokatra eo, dia mila heverina izay hanatsarana azy, hoy izy. Milaza amin’ny vahoaka Malagasy, mpiara-miombon’antoka (SADC, Vondrona Afrikanina, Kaomisionin’ny Ranomasina Indianina,…), fa mila fanamboarana ny firafitry ny CENI satria io no hikirakira ny voka-pifidianana. Mangataka sy manao antso avo mba hisian’ny fikaonandoam-pirenena na “concertation nationale” na ho an’ny mpanohitra na ho an’ny mpitondra ny tenany, mba ahafahana mifanaraka tsara hoe: ireto ny olona hapetraka eo. Tsy misy ilàna io fifidianana io raha izao endriky ny CENI eo, 9 no hapetraka, 9 ho olon’izy ireo daholo, hoy ny Filoha teo aloha. Manana adidy lehibe ny solombavambahoaka, ka mangataka ny fanovana ny lalàm-pifidianana, miantso ny firaisamonim-pirenena hiteny sy hijery, niantso ireo masoivoho eto, nanaitra ny masoivoho sy ny mpamatsy vola,… “Raha mitaraina izahay fa feno hosoka ny fifidianana, izaho mihitsy no nitondra ny porofo tany amin’ny masoivoho. Izao ry zareo vao miaiky fa nisy ny hosoka, ary naneho hoe: izahay nahita fa tsy lany io, fa mba hisian’ny filaminana dia nekena”, hoy I Marc Ravalomanana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap