airtel

Politique

23-nov-2021

Politique

Politika Mivonona hiatrika fifidianana ny AVI

Sample post image

Nanatanteraka fivoriam-paritra tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Tanambe, Distrikan’Amparafaravola, Faritra Alaotra mangoro, ny antoko « Asa Vita no Ifampitsarana » (AVI) ny zoma 19 sy sabotsy 20 novambra 2021 lasa teo.

23-nov-2021

 Delegasionina iray, izay mpikambana ao amin’ny Birao politika mandrafitra azy, no nisolo tena ny Filohan’ny antoko, Norbert Lala Ratsirahonana. Na tsy afaka nidina tany an-toerana aza anefa ity Filoha mpanorina ny AVI ity dia afaka nandray anjara tamin’io fivoroam-paritra io tamin’ny alàlan’ny sary sy feo nampitaina mivantana avy aty an-drenivohitra.Tahaka ny tany Antsirabe, Morondava ary Ambositra farany teo, dia nataon’ny AVI ity fihaonana niendrika loabary an-dasy tany Tanambe ity mba hanomezana aim-baovao miainga avy any amin’ny fototra ny antoko. Izany no hatao dia ny mba hahafahany hiatrika am-pahatoniana ireo dingana rehetra hoavy amin’ny manaraka eto amin’ny fiainam-pirenena. Amin’ny maha antoko mahaleo tena azy, na dia mpikambana feno ao amin’ny IRD aza izy, dia mivonona hiatrika ireo fifidianana ho avy ny AVI.Anisan’ny antony hanangona ny hetahetan’ireo mpikambana mielipatrana any amin’ny fokontany any ary hampahafantatra ireo foto-kevi-dehibe ijoroan’ny antoko izany. Tsy inona izany fa ny : fananganana fanjakana tsara tantana, ny fampianarana ny fitsinjaram-pahefana hampiara-mandroso ny faritra, ny fiarovana ny demokrasia ary ny fanamafisana ny firaisam-pirenena. Saiky nanodidina ireo foto-kevi-dehibe efatra ireo avokoa ny famoaboasan-kevitra nataon’ireo mpandahan-teny nandritra ity fihaonam-paritry ny antoko AVI ity.Mbola hisy moa ny fihaonam-paritra hahafahan’ny antoko manangona ny hevitry ny tsirairay izay hoentina handrafetana programam-pampandrosoana mifototra indrindra amin’izay zavatra andrasan’ny olom-pirenena ka hanafaka, na fara faharatsiny hampihena, ny fahasahiranana iainan’izy ireo amin’izao fotoana izao. Izany programa izany dia ny Kongresy nasionaly, izay mbola hatrehin’ny antoko amin’ny manaraka, no handaniany azy.Ny andro voalohany no nihaona mivantana tamin’ireo mpikambana any ifotony tao Tanambe, ireo filohan-dohan’ny mpisorona ao amin’ny AVI. Ny andro faharoa kosa ireo mpitarika ny antoko AVI ireo dia nihaona tamin’ireo solontenan’ny mponina ao Alaotra Mangoro izay nasaina hanatrika ity fihaonambem-paritra tao Tanambe ity, fihaonana izay azo ambara fa dia niendrika fihaonam-be politika niarahana tamin’ny vahoaka mihitsy. Nofon-kena mitam-pihavanana no nentina nanakatona ity andro faharoa ity ka omby roa natolotry ny Antoko no novonoina nanatontosana izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fihaonana notanterahin’ny antoko AVI tany amin’iny faritra Atsinanan’ny Nosy iny
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap