Napetrakay teo anivon’ny minisiteran’ny atitany izay, hoy izy. Tsy «centriste évènementiel» na hoe hery afovoany izahay rehefa misy zava-miseho ka metimety kokoa hitononana hoe «hery afovoany izahay.». Ny ankamaroan’ny mpanao politika eto Madagasikara tsy mahafantatra ny atao hoe «neutre» sy «hery afovoany». Diso tanteraka ny fiheverana an’izany hoe «tsy momba ny atsy tsy momba ny aroa». Ny fomba fanao politika amin’izao dia ohatran’ny efa hita tamin’ny 1972 sy ny tao aoriana ihany. Efa natao izany vaky barazy izany. Izany fanakatsakanana sy tonton’ondry bory sy tena hoe adina jiolamboto izany efa hita teto. Tsy tena politika no natao teto fa fitadiavana tombontsoa manokana. Ny amiraly Didier Ratsiraka no nanomboka ny famotehana ny toe-tsain’ny malagasy tamin’izany. Lasa ifandimbiasana ilay izy dia manao ny ataony izao ny fitondrana. Tsy hita hoe varatra nipoaka dia delestazy. Mimenomenona fotsiny ny vahoaka hoe miakatra ny vidim-piainana. Tsy manjary ny fandriampahalemana. Ny hery afovoany dia manana tanjona hametraka fiainana anaty filaminana. Mila vahoaka misitraka feno ny zony, izany hoe, manana trano hipetrahana, afaka mampiana-janaka, afaka misakafo in-3 isan’andro, afaka misitraka fitsaboana, manatontosa araka ny tokony ho izy ny zony na dia anaty biraom-panjakana aza. Tsy feno ny fepetra fa tena lalaovin’ny any ivelany ny firenena malagasy aminay Natiora. Antoko politika maherin’ny 200 isa no eto dia 10 ihany no antsoin’ny FES dia ireo indray no terena hanao sonia amin’ny anaranay. Efa tamin’ny 2019 izahay no niomana handray anjara amin’izay fifidianana hoavy eo. Hita anefa ny tsy fahavononan’ny fitondrana. Izay no anton’ny fitadiavana fikaonandoham-pirenena hijerena hoe inona no mety amintsika malagasy? Tonga izao ny OIF dia iza indray no antsoina? Ho avy koa ny SADC. Rehefa voakitikitika ny mahaolona dia miteny izahay. Izay no antony mahatonga anay miaraka amin’ny mpanohitra. Ny maha samihafa anay amin’ny hery ankavia izany dia ry zareo ilay hoe sosialista ary ny ankavanana mirona kokoa amin’ny lafiny toekarena, hoy hatrany ny antoko Natiora nitsikera mafy ireo milaza azy ho hery afovoany heveriny fa sadasada.
J. Mirija
Légende : Ny filohan’ny antoko Natiora
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny