amin’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron hatao any Frantsa eo anelanelan’ny 7-9 jona ho avy izao. Nambaran’io fahampahalalam-baovao io, fa ny Filoha Malagasy no nangataka ny fihaonana. Tsy mbola nisy kosa ny fampahafantarana nivoaka avy eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika manamarina na mandiso an’io. Ao anatin’ny vanim-potoana politika mivaivay no isehoan’izany resaka izany ka asa aloha izay tena ho fisehony sy ny zavatra hifampiresahana raha tena ho raikitra tokoa? Nilaza kosa ny Africa Intelligence fa ny toe-draharaha politika mialohan’ny fifidianana no isan’ny mety ho lahadinika, ka anisany resaka fiatrehana izay fifidianana izay. Heverina fa resaka politika sy diplaomasia avo lenta mialohan’ny fifidianana io. Hangataka vonjy sy fanohanana amin’I Macron ve Rajoelina? Hanao ahoana ny fijerin’ny Frantsay momba ny toe-draharaha politika sy ny raharaham-pifidianana eto? Isan’ny goavana ihany koa raha ny voalazany ny fantagatahana ny famindrana gadra na “extradition” an’ireo miaramila Frantsay roa misotro ronono isan’ireo nohelohina fa ho namono ny Filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina tamin’ny raharaha “Apollo 21” no tadiavin’ny Frantsay. Raha tsiahivina kely, dia nosamborina ny jolay 2021 izy ireo, ary nohelohina faran’izay henjana ny desambra 2021. Sazy asa an-terivozona 20 taona no nomen’ny fitsarana an’I Paul Rafanoharana, asa an-terivozona 10 taona ho an’I Philippe François. Voaheloka hiasa an-terivozona 5 taona ihany koa Voahangy Andrianandrianina vadin’i Paul Rafanoharana. Asa na fifandrifian-javatra ihany fa tany amin’ny desambra 2021 dia nilaza I Fanirisoa Ernaivo fa fangatahana “extradition” azy sy Marco Randrianisa alefa any Madagasikara no nangatahin’ny fitondrana Rajoelina ho takalon'ny famindrana an i Phillipe François sy Paul Rafanoharana hamita sazy aty Frantsa? Vao herinandro mahery kely mantsy izay no nisy ny fisamborana azy ireo nanaovana fanadihadiana saingy navotsotra avy eo. Hiverenana hosamborina sy hatolotra ny Fitondrana Malagasy Rajoelina ve? Sady teknika io no politika izay mety ho sarotsarotra ihany. Rah any politika sy diplaomasia kosa, raha mampahatsiahy kely, dia tokony hitsidika an’I Madagasikara ny Minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay Rtoa Cathérine Colonna, saingy voalaza hatreto fa nofoanana tanteraka taorian’ny fihemorana in-telo nanomboka ny aprily teo. Ny sekreteram-panjakana frantsay miadidy ny fampandrosoana, ny Frankofonia sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, Ramatoa Chrysoula Zacharopoulou tapa-bolana lasa izay. Io voalaza fa ho any Frantsa io ny Filoha Malagasy, izay heverina fa mety ho Fihaonana fahaefatra farany amin’ny roa tonta amin’ny maha Filoha an’I Andry Rajoelina taorian’ny tamin’ny 29 mey 2019, 27 aogositra 2021, ary ny tamin’ny 29 aogositra 2022.
Toky R
Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.
Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny
Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana
Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny
An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,
Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo