airtel

Politique

25-oct-2023

Politika sy fiainam-pirenena

Ity no fifidianana ahiana hitera-doza indrindra

Sample post image

Ity no fifidianana be lesoka sy fitakiana indrindra, ary ahiana hiteraka fipoahana goavana eto amin’ny firenena,

25-oct-2023

raha tsy voaravona. Efa nisy teto ny taona 2018 ny disadisam-pifidianana mialohan’ny fotoana noho ny voalaza fa fisiana tetika fanakantsakanana kandida sy kajy maloto samihafa. Niafara tamin’ny fidinana an-dalambe, izay ny depiote 73 no nitarika izany. Tonga hatrany amin’ny fanapahan-kevitra politikan’ny HCC izay nampandrava governemanta izay tsy voafaritry ny lalàmpanorenana. Naninona no nety ny vahaolana politika tahaka io tamin’izany fa amin’izao mandeha ny fiziriziriana? Miandry inona vao hanaiky sa mbola hanohy ny fandatsahan-dra? Azo lazaina ho voasoroka ny krizy sy sakoroka taorian’ny fifidianana 2018 na nisy aza ny lonilony, saingy nanamafy ny tsy fahamarinan-toeran’ny Fanjakana lany tamin’izany ny fipoahan’ny raharaha “doublons” 1,2 tapitrisa ny febroary 2020, saingy nifanandrify tamin’ny krizin’ny coronavirus ka niotrika tao. Io indray ny fifidianana 2023, izay betsaka ireo kajikajy politika toy ny fahazoan’ny governemanta ny fahefana hitondra ny firenena izay sokajian’ny herivelona politika maro ho fanonganam-panjakana, ny fahatsapan’ny mpisehatra maro samihafa indrindra ireo kandida fa mitanila ny HCC teo anatrehan’ny famelana ny firotsahan’ny kandida izay efa very ny maha Malagasy, ny nitsipahana sahady ny fitoriana maro samihafa, ny fitanilan’ny governemanta amin’ny kandida izay nanendry azy ireo, ny fampitanilana ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny loko politika, ny tsy fahatokisana ny rafitra mikarakara ny fifidianana,… Mandeha anefa ny fiziriziriana, ny fiezahana hampiasa hery, ny fihantsiana ataona kandida akaiky ny fitondrana,… Mampiantso ny Raiamandreny am-panahy tsy tazana, mampivory ny fianakaviambe iraisam-pirenena, mampiantso ny HCC tsy tonga,… Sambany teo amin’ny tantara ny hoe: ny kandida maro an’isa no miray feo aty alohan’ny fifidianana fa tena mila diovina ny fifidianana, mila miverina amin’ny tany tan-dalàna, mila haverina ny fiandrianam-pirenena,… saingy iniana hikipiana. Efa nisy ny fandeferana ara-politika teto nataon’ny mpitondra izay naongana ny 2009, tahaka izany ihany koa ny 2018. Samy namela ny mpitondra hiasa anefa ny rehetra na nandeha aza ny tsikera mivaivay samihafa, niandry ny fahavitan’ny fotoam-piasana, niandry sy nanomana fifidianana,... Miverina ny kajy maloto ara-pifidianana ka mbola handaitra ve ny don-tandroka sy ny amboletra ary ny didin’ny be sandry hifikirana amin’ny fahefana? Ity no fifidianana ahiana hitera-doza indrindra satria azo lazaina ho tarazon’ny 2009 sy 2018 ka tokony haravona! Tena tsy misy fandeferana sy fanetren-tena ara-politika ve fa tsy maintsy arahina amin’ny sitrapony foana ny kandida iray ny ekipany izay toa manao sorona ny firenena? Hitondra filaminan’ny firenena ve ny fifidianana amboletra sy tsy toavin’ny maro an’isa?
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap