Ny faran’ny volana aprily no efa voafaritra ny diany eto Madagasikara, nihemotra ny volana may, saingy tsy tanteraka. Raha ny fanamafisan’ny Quai d’Orsay, ny 7 jolay izao no ho tonga eto io minisitra Frantsay io, izay nialohavan’ny Sekreteram-panjakana Frantsay miadidy ny fampandrosoana, ny frankofonia, ary ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena Rtoa Chrysoula Zacharopoulou ny 14-17 may lasa teo. Voalaza fa hiara-dia amin-dRtoa Catherine Colonna mandritra io I Christophe Bigot izay misahana an’I Afrika eo anivon’ny Qaui d’Orsay. Mbola baraingo ny tena antsipirihany amin’ny tena anton-diany eto, saingy ara-politika dia heverina fa tsy tongatonga ho azy, indrindra taorian’ny fihaonan’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron sy ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina tany Paris ny 09 jona lasa teo. Mialohan’ny fifidianana ihany koa no isehoan’izany ka asa izay tena iraka hampanaovina azy eo anatrehan’izany? I Lafrantsa izay nambaran’ny Fitondrana Rajoelina fa vonona hanohana ny fifidianana. Vao ny 21 jola lasa teo ihany koa no nisy ny nandefasana ilay teratany Frantsay Philippe François nogadrain’ny Fitondrana Rajoelina rehefa nenjehiny ho namono azy. Hanao fifampiraharahana amin’ny hamotsorana an’i Paul Rafanoharana ihany koa ve ity Minisitra ity? Ny Frantsay sy ny fianankavian’io miaramilan’izy ireo efa misotro ronono io rahateo mampiaka-peo sy mitaky ny fahafahana mamindra azy any Lafrantsa satria dosie iray ireo ka nahoana ny iray no afaka nalefa ary ny iray tsy afaka? Mbola baraingo kosa hatreto ny tambiny tamin’ny famindrana gadra nifanaovan’ny firenena roa tonta. Raha ilay resaka fanolorana ireo mpanao politika Malagasy mialokaloka any Frantsa aloha dia somary sarotsarotra satria raha ny mikasika an-dRtoa Fanirisoa Ernaivo sy Marco Randrianisa ohatra, dia any amin’ny 06 septambra vao handalo fampanoavana any Frantsa, raha ny loharanom-baovao. Ny azo antoka aloha, dia tsy mandehandeha ho azy, fa ny tombotsoan’I Lafrantsa eto Madagasikara sy aty Afrika no isan’ny iraka tanterahiny na inona na inona endriny. Ara-politika, hanohana an’i Andry Rajoelina mivantana na ankolaka ve ny Frantsay sa mampiomana azy hiomana sy hitandrina ary handray an-tànana azy vao miala amin’ny fitondrana tahaka ny efa niseho tamin’ny Fitondrana Ratsiraka? Saika any Lafrantsa hatrany no fialokalofan’ireo mpanao politika avy nitondra matahotra ny mety ho fanenjehana noho ny antony politika na dosie mafampana fony teo amin’ny fitondrana. Mety ho voaresaka ve ny momba izany ary mbola ho mora ve ny fidirana any sa hanomboka hanivana i Lafrantsa ?
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby