tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Politikam-pitantanana firenena Miaiky ankolaka fa nety ny an-dRavalo sy Rajao

Natao maty henjika i Hery Rajaonarimampianina raha nametraka ny vinany hoe: "Fisandratana 2030", tonga hatramin'ny vatam-paty teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey.

31-oct-2022

Sample post image

 Na nohozongozonina niainga tany amin'ny 2014 nitondrany hatramin'ny taona 2018 nialany aza, mba nahavita namerina ny fitokisan'ny sehatra Iraisam-pirenena satria firenena voasazy isika nialohan'izany noho ny fanonganam-panjakana. Nijery lavitra ihany Rajaonarimampianina raha tarafina amin'ireo tetikasa goavana mitohy mandrak'ankehitriny, izay misy ny efa vita notokanan-dRajoelina, toy ny lalana Rocade-Est mampitohy an'i Marais Masay sy By Pass, ny lalana RN5A Ambilobe -Vohémar,... Tahaka izany ihany koa I Marc Ravalomanana, nametraka ho isan’ny teny faneva mihitsy hoe: “Amboary ny làlana eto Madagasikara”, saingy novoizina sy nanaovana eson-teny tamin’izany hoe: làlana angaha azo hoanina? Taona maro aty aoriana, hafa ny firesaka ary milaza hanamboatra làlana 6800km hatramin’ny 10800km mandritra ny enina taona manaraka. Ny fanontaniana mipetraka hatrany kosa dia ny hoe: raha tena nanana traikefa tamin’izany, tsy niandry dimy taona manaraka, fa efa natomboka tao anatin’izao fe-potoana iasana izao izany fa tsy aty amin’ny herintaona tsy haharavan’ny tsena vao hanao an’izatsy sy izaroa? Iza no hamatsy vola satria ny hafa matoa nahavita ireny dia natokisan’ny olona, marin-toerana ny diplaoamasia, nisy ihany ny Fanjakana tsara tantana,… Ho an’ny sahatra hafa, ny resaka fanafoanana ny delestazy lazain-dRajoelina fa hitontona amin'ny 2027-2028 dia saika mbola ireo tetikasa natombok'i Hery Rajaonarimampianina ihany koa no hahavaha izany tahaka an’i Sahofika izay hahavokatra hatrany amin'ny 200MW, Volabe 120MW,.. Nampanantena 400MW Rajoelina tamin’ny propagandy, mbola nampanantena 652MW indray hatramin’ny 2028, saingy rehetra zohiana dia ireo tetikasa natomboky ny Fanjakana teo aloha.
FITANTANANA ORINASAM-PANJAKANA
Ny 28 oktobra 2022 teo, vaky vava I Andry Rajoelina fa tapitra banky ropitra sy mitsipozipozy ny ankamaroan’ny orinasam-panjakana tantanan’ny Malagasy ka isan’ny noresahiny ny Jirama sy ny Air Madagascar. Natao maty henjika I Marc Ravalomanana raha niara-niasa tamin’ny Alemà tamin’ny alalan’ny orinasa Lameyer, ary tahaka izany ihany koa ny ny Lufthansa izay niara-niasa tamin’ny Air Madagascar. Aiza ho aiza ny taloha sy ny ankehitriny? Nihemotra isika sa nandroso? Nanao ahoana ny Kaompania Air Madagascar talohan’ny fanonganam-panjakana 2009 dia aiza izy izao? Rehefa zohiana, toa miaiky ihany ankehitriny fa marina sy mitombina ny politika nataon’ny teo aloha tamin’ny resaka angovo, làlana,… Sarotra anefa ny hiaiky izany, lavitry ny fahintsiana, toa tsy mba manana ilay antsoina hoe: “honnêteté intellectuelle”, faly nanenjika ny hafa kanefa toa ny nataon’ireny ihany no ankamaroan’ny mbola ireharehana, ary ny politikan’ireny no atao “kopikole” hakana fom-bahoaka. Rehefa ny hafa no miteny dia vorondolo, fa rehefa izy dia voromanga hatrany kanefa raha ny vokatra amin’ny fiainam-bahoaka, ny azy no toa nandetika firenena indrindra tao anatin’ny 60 taona .
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus