airtel

Politique

19-janv-2023

Politique

Pr Sammy Grégoire Ravelonirina “Hanitsy ireo tandrevaka no andrasana amin’ny mpitondra”

Sample post image

Misy ny ambaratongam-pahefana mikarakara ny fandraisana fanapahan-kevitra eto amin’ny tany sy ny firenena, hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eto Antananarivo na Seces

19-janv-2023

Antananarivo, Pr Sammy Grégoire Ravelonirina. Niezaka, hoy izy, ny ambaratonga sasantsasany nefa misy kosa ambaratongam-pahefana any ambonimbony any izay mahadidy mahatapaka ary manatanteraka ny fanomezana ny zon’ny mpampianatra mpikaroka. Raha miainga avy ao amin’ny minisitera ny taratasy, mety mandeha ihany fa rehefa tonga any ambadimbadika any dia taraiky. Ohatra fotsiny izao ny antotan-taratasy momba ny fiasana an-tselika na “vacation” sy ny ora fanampiny ho an’ny mpampianatra am-perinasa. Efa nandrasana sy nantenaina fa ho avy talohan’ny Krismasy. Efa tany Ambohitsirohitra, tao amin’ny fiadidiana ny repoblika ny antotan-taratasy momba izany. Mbola tsy vitan’ny filoham-pirenena sonia izany hatramin’izao ka iandrasana ny fahatsoram-pony sy fitsinjovany ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, indrindra, ireo mpiasa an-tselika ny hanasoniavany azy satria karama ho an’ireo mpampianatra an-tselika na “vacataire” efa hatrany amin’ny taona 2018-2019 no andrasana ny hisitrahany azy amin’ity volana janoary ity raha hisy. Mbola andrasana koa ny “indemnité de recherche et d’investigation” izay tambin-karama ho an’ireo mpampianatra mpikaroka retirety. Ho an’ny fakiolten’ny siantsa manokana dia ho an’ny taona 2018 hatramin’ny 2021 no efa nalefa any. Mbola tsy tonga aty amin’ny fiadidiana ny oniversiten’Antananarivo izany. Mbola misy koa ny vary mangatsiakan’ireo didim-pitondrana miisa 3 izay tsy hita be ihany hoe nankaiza na nankaiza. Vaovao ny taona ankehitriny ka dia fomba fiasa, fisainana, fandraisana andraikitra vaovao no andrasana amin’ny mpitondra fanjakana. Mba hanitsy ireo tandrevaka na heverina hoe fitavozavozana teo aloha fa mba ho taonan’ny asa tokoa ity taona 2023 ity, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap